Sport

Lalaon’ny nosy Voasivana indray ny mpanao gazety


  • Zoma 25 Aogositra 2023

Toy ny tranga niseho raha nandray ny fihaonana an-tampon’ireo firenena afrikanina mifandraharaha ara-barotra aty

amin’ny tapany atsimon’i Afrika na COMESA ny taona 2016 dia miha mafy indray ankehitriny ao anatin’izao lalaon’ny nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina atao eto Madagasikara izao tsy fanohitohinana ny mpanao gazety manatanteraka sy hanao ny asany. Voasivana indray ny mpanao gazety, raha tsorina, ary mafy noho ny tamin’izany 8 taona lasa izany aza no zava-miseho ankehitriny satria raha tamin’izany fotoana no nisy fanakatsakanana tsy hampita vaovao amina lafin-javatra maromaro dia tamin’ity tena nolavina mihitsy ny fangatahana alalana nataon’ireo orinasa an-gazety sasany maniry ny hampita izany vaovao momba ny lalaon’ny nosy izany, raha ho an’ireo mpanao gazety anaty vondron’orinasa Vidy varotra manokana fotsiny no resahana. Misy orinasa an-gazety sasany anefa am-polony ireo mpanao gazety navela hanangom-baovao eny amin’ireo kianja hanatanterahana ny lalaon’ny nosy eto Madagasikara. Asa indray izay ho fiantraikan’izao zava-misy izao amin’ny fahalalahana maneho hevitra sy mampita vaovao eto Madagasikara eo amin’ny filaharana iraisampirenena taorian’ireny fahaverezantsika toerana 40 isa mahery be izao tao anatin’ny roa taona ireny aloha fa dia tena fanivanana fotsiny tsotra izao na ilay antsoina amin’ny teny vahiny hoe “discriminition” no miharihary.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT