Sport

Lalaon’ny Nosy_Taranja “Kick boxing” “Handraoka medaly volamena no tanjona”


  • Alatsinainy 31 Jolay 2023

Handraoka medaly volamena betsaka indrindra sy handrombaka ny laharana voalohany no tanjona.

Vonona tanteraka ireo atleta malagasy amin'ny taranja "Kick boxing" hiatrika ny andiany faha 11 amin'ny lalaon'ny nosy 2023 hatao eto Madagasikara manomboka ny volana aogositra hoavy izao, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Manatanteraka fampivondronana etsy amin’ny Castello Motel Anosizato nanomboka ny tapaky ny volana jolay ity ireo mpiangaly "kick boxing" malagasy. Haharitra hatramin’ny 22 Aogositra izany fampivondronana izany hiomanan'ireo mpanao hiady mandrafitra ny ekipam-pirenena hiaro ny voninahitr'i Madagasikara mandritra izany lalaon’ny nosy izany. Nitsidika ireo atletantsika amin'ny taranja "kick boxing" nandritra ny fanazarantenan'izy ireo teny Mahamasina ny sabotsy 29 jolay 2023 ny delegasionina notarihin'ny minisitry ny angovo sy akoran'afo, Solo Andriamanampisoa, amin'ny maha mpiahy ny taranja "kick boxing" mandritra ny lalaon'ny nosy. Nanolotra fitaovana toy ny "gants de boxe", "protèges tibias", aro-loha ny tenany. Nanome tosika ara-tsakafo sy ara-batana ary herijika moraly. Fanohanana sy fampirisihina goavana no natao ho azy ireo, fampanantenaina koa fa ho aterina amin'ny herinandro hoavy io ireo akanjo (tenue de combat, survêtement, tenue de sport). Fandresena anaty firaisankina sy fahasamihafana no tanjona, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT