Sport

Lalaon’ny Nosy Nahomby ny ankamaroan’ireo lalao iraisana


  • Alatsinainy 04 Septambra 2023

Nivalona tanteraka ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11 notanterahina tao anatin’ny 10 andro, ka I Kaomoro indray no handray ny andiany manaraka.

Azo lazaina ho tsara ny vokatra ho an’I Madagasikara na teo aza lesoka tany am-piandohana noho ilay fatiolona tao Mahamasina. Na izany aza, mendrika ary isaorana ny atleta sy mpilalao Malagasy. Teo ny vokatra ho an’ny isam-batan’olona, fa saika nanjakantsika ankamaroan’ireo lalao iraisana, ka nisongadina ny an’ny baolina kitra izay nahazoantsika indray ny medaly volamena. Efa tany amin’ny taona 1993 nandritra ny lalaon’ny Nosy andiany faha-4 tatsy Seychelles no nahazoantsika izany farany. Ny Réunionais no resintsika tamin’izany, ary nandresy antsika tamin’ny famaranana ny taona 2007 io, ka vita indray ihany koa ny valin’ady. Ho an’ireo taranja hafa, dia voalohany isika tamin’ny basikety sokajy rehetra izay nisy efatra karazana satria ny “3x3” dia vao nampidirina tamin’ity andiany faha-11 ity, ka noporofointsika ny maha tompondakan’I Afrika sy efa niatrika ny Fiadiana ho an’ny tompondaka eran-tany ho an’ny lehilahy, ary nanjaka ihany koa ny vehivavy. Voalohany ihany koa isika teo amin’ny taranja rugby ary nandravarava. Lasantsika ihany koa ny medaly volamena ho an’ny taranja judo sokajy vehivavy,… Na izany aza, tany amin’ny medaly volafotsy no nisy antsika ho an’ny handball sy volleyball,…
Nangonin’I Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT