Sport

Lalaon’ny nosy Mampanahy be ihany!


  • Alarobia 09 Aogositra 2023

Nifamory ireo federasionina malagasy handray anjara amin'ny lalaon’ny nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina,

andiany faha-11, hatao eto Madagasikara ny 25 aogositra ka hatramin'ny 3 septambra 2023, ny alatsinainy 7 aogositra, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Nanao fitarainana mikasika ny tsy fahatomombanana sy ny fahasarotana amin'ny fanomanana ny fiatrehana izany fifaninanana iraisampirenena izany izy ireo. Na sakafo, na fampiantranoana, na fitaterana na ny fiantohana ara-pahasalamana dia tsy tomombana avokoa ka anaovan'izy ireo fanairana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Etsy an-kilan’ny moa dia nilaza ireo tomponandraikitra sasany teo anivon’ny fitondram-panjakana fa nalaina am-pitaka ny sonian’ireto filoha na solontenana federasionina isanisany ireto. Mbola mitohy kosa izay resaka fitarainan’ireo federasionina izay. Tapa-bolana mialoha isika izao, kanefa io no zava-mitranga! Mampanahy be ihany ny zava-misy ka tokony halamina haingana mba tsy hiteraka fahafaham-baraka eto!!!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT