Sport

Lalaon’ny Nosy eny amin’ny Tanamasoandro Nijanonana ho fampanantenana poakaty indray


  • Zoma 16 Desambra 2022

Nanatanteraka fitsidihana ireo fotodrafitrasa ara-panatanjahantena eo an-dalam-pamitana toy ny dobo filomanosana olaimpika sy ny kianja mitafo mahazaka mpijery 4.000 ao renivohim-paritry ny Boeny omaly 15 desambra 2022

ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Atoa Tinoka Roberto, niaraka tamin'ireo mpikambana ao amin'ny Filankevitra iraisam-pirenena momban'ny lalaon'ny Nosy eto amin'ny ranomasimbe Indianina na ny CIJ. Nomarihina fa isan'ireo fotodrafitrasa handraisana ny lalaon'ny Nosy 2023 ireo notsidihana ireo. Mahajanga, Toamasina , Fort Dauphin ary Ste Marie no hampiantrano Lalaon’ny Nosy 2023 izay atao eto Madagasikara ny 25 aogositra hatramin'ny 03 septembra 2023, araka ny fampahafantarana nataon’ny Komity Olaimpika afak’omaly. Mandray ny fivorian’ny “Conseil International des Jeux des Iles” ihany koa moa isika hoenti-manomana ity lalao ity. Manomboka voaporofo izany fa dia poakaty ny fampanantenana fa eny amin’ny Tanamasoandro eny Imerintsiatosika no handraisana ny Jeux Des Iles, kanefa izany no nolazain’ny Filoha Rajoelina tamin'ny 31 desambra 2020, ary efa niparitaka ny karazana makety momba ireo fotodrafitrasa hatao. Toa naman’ny mampamangy uuhany koa izany ilay “gymnase” mahazaka olona 8000 nolazaina fa hatao handraisana ny lalaon’ny Nosy, nolazain'ny minisitra Tinoka tamin'ny 14 aogositra 2022 nandritra ny famaranana ny Afrobasket teto. Mbola nampian’ny Filoha fa hahazo tambin-karama ny mpanao fanatanjahantena ankoatra ny fampanantenana fotodrafitrasa goavana. Hatreto, naman’ny nitsefotra ireny!? Ny lalaon’ny Nosy ihany koa amin’ny ankapobeny, dia amin’ny tanàn-dehibe iray, ary misy ny antsoina hoe: “village des jeux”, saingy mety ho hafa izany ny ho fisehony amin’ity. Efa nisy ihany ny fangatahana hampiasana ireo trano vaovao eny Ivato, saingy tsy ny rehetra no ho eny raha ny fitsinjarany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT