Sport

Lalaon’ny Nosy Atsy Maorisy Medaly volamena 9 no efa azontsika


  • Alatsinainy 22 Jolay 2019

Mitana ny laharana faha-3 vonjimaika i Madagasikara amin’izao fotoana izao eo amin’ny Lalaon’ny Nosy tanterahina atsy amin’ny Nosy Maorisy.

Ny medaly volamena no hanasokajiana ny filaharana, ka ho an’ny omaly, dia mitana ny laharana voalohany amin’ny alalan’ny meday volamena 13 ny Nosy La Réunion, 10 i Maorisy, 9 Madagasikara, 6 i Sychelles, 1 Maldives, ary tsy mbola nisy nahazo medaly volamena kosa i Kaomoro sy Mayotte. Ny taranja fibatana fonjamby avokoa tamin’ny ankapobeny no nahazoantsika ireo medaly volamena, ka anisan’ny angady nanana medaly volamena 3 be izao i Rossina teo amin’ny sokajy latsaky ny 45kg. Niatrika ny lalao samihafa tany an-toerana ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina tamin’iny faran’ny herinandro iny, ary nifampidinika sy nifandresy lahatra tamin’ireo tompon’andraikitra momba ny handraisan’i Madagasikara ny lalaon’ny Nosy amin’ny 2023.

Toy izao kosa ny vokatra vonjimaika amin’ny fahazoana medaly :

1°Reunion nahazo medaly 38,  volamena 13, volafotsy 10, alimo 15

2°Maurice nahazo medaly 39, volamena 10, volafotsy 13, alimo 16

3°Madagasikara nahazo medaly 19, volamena 9, volafotsy 8, alimo 2

4°Seychelles nahazo medaly 18, volamena 6, volafotsy 8,  alimo 4

5°Maldives nahazo medaly 1, volamena 1, volafotsy 0, alimo 0

6°Comores nahazo medaly 1, volamena 0, volafotsy 0, alimo 1

7°Mayotte tsy mbola nahazo medaly mihitsy hatreto

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT