Sport

Lalaon’ny nosy andiany faha-10 Nahazo fitaovana raitra avy amin’ny Sinoa ny atleta Malagasy


  • Alarobia 27 Febroary 2019

Notanterahina teny amin’ny Asia & Africa hotel eny Ivato omaly talata 26 febroary 2019 ny dingana faha-3 amin’ny tetikasa “Assistance de la Coopératioon Technique du Sport Chine-Madagascar”

 

 vita sonia  tamin’ny taona 2018, dia ny fanoloran’ny governemanta Sinoa fitaovana ara-panatanjahantena raitra ho an’ny taranja atletisme, badminton,  halterophilie, lomano ary tenisy ambony latabatra izay taranja samy handraisantsika anjara amin’ny Lalaon’ny nosy 2019 andiany faha-10 hotontosaina any Maorisy amin’ny volana jolay ho avy izao. Ny dingana voalohany tamin’ny tetikasa dia efa notontosaina  tamin’ny fahatongavan’ny mpanazatra Sinoa niisa 8 teto amintsika tamin’ny martsa 2018 nanofana an’ireo taranja samihafa teto. Ny dingana faha-2 dia ny nandehanan’ireo atleta Malagasy niisa 88 (taranja atletisma, badminton, haterophilie, lomano ary tenisy ambony latabatra) sy mpanazatra Malagasy 10 ary filohana delegasiona 1 niofana tany Sina nandritra ny 120 andro izay nijoroan’ny solontenan’ireo atleta sy solontenan’ireo mpanazatra vavolombelon’ny soa marobe azon-dry zareo avy any. Hampiasaina amin’ny fanomanana ny lalaon’ny nosy 2019 ireo fitaovana ireo. Hisy ihany koa ny hatolotra ny Sport Etude Malagasy, hoy ny minisitra Tinoka Roberto, nandray azy ireo avy amin’ny ambasadaoron’i Sina eto Madagasikara,.

 

Ntsoavina Evariste

   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT