Sport

Lalaon’ny nosy andiany faha-10 Laharana faha-2 i Madagasikara


  • Alatsinainy 29 Jolay 2019

Nifarana tamin’ny fomba ofisialy omaly alahady 28 jolay 2019 ny lalaon’ny nosy andiany faha-10 notontosaina tany amin’ny nosy Maorisy.

 

 

 

 

Laharana faha-2 no nisy an’i Madagasikara tamin’ny ankapobeny raha ry zareo mpampiantrano no nitana ny laharana voalohany.  Medaly volafotsy 2 teo amin’ny taranja volley-ball lahy sy vavy  sy medaly volamena 2 hafa teo amin’ny taranja basket-ball no medaly farany norombahin’ny atleta Malagasy tamin’ireo lalao natrehany farany tamin’ny sabotsy 27 jolay 2019 teo. Tsy afa-bela tamin’i Seychelles ny mpilalao volley-ball vehivavy Malagasy fa mbola resy  tamin’ny seta 3-2 indray. Tsy nahatohitra ny  mpilalao volley-ball avy any La Réunion  ihany koa ny mpilalao  volley Malagasy lehilahy ka resy tamin’ny seta 3-0 be izao. Tsy namelan'ny Atleta Malagasy kosa tetsy an-kilany raha tsy norombahan'izy ireo ny medaly volamena teo amin’ny taranja basket-ball lehilahy nanoloana an’i Mayotte izay resiny tamin’ny isa  85-49 teo amin’ny lalao famaranana. Mbola  lasan’i Madagasikara ihany koa ny medaly volamena teo amin’ny taranja basikety sokajy vehivavy rehefa avy nandavo an’i La Réunion 90-77 teo amin’ny famaranana izy ireo.

 

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT