Sport

Lalaon’ny mpiasam-panjakana Tompondaka tamin’ny basikety ny Jirama


  • Alatsinainy 08 Novambra 2021

Voahosotra ho tompon-dakan'ny "Basket-ball" nandritra ny lalao famaranana omaly maraina ny ekipan'ny Jirama ho an’ny fifaninana ao anatin’ny ASIEF (Association Sportive Interminisiterielle pour l’Entretien des Fonctionnaires)

 na Fifaninanana ara-panatanjahantena ho an'ny mpiasam-panjakana natao tany Mahajanga. Lavon'izy ireo tamin'ny salan'isa 54-51 ny Ekipan'ny "Présidence" na ny Fiadidian’ny Repoblika. “Anatin'ny sehatry ny asa dia tena ilaina be dia be ny fanatanjahantena satria sady mahasalama no mampiala voly ihany koa. Teto dia faly sy nankasitraka ny ekipa Andriamatoa Minisitra izay nanatri-maso tany niaraka tamin'Andriamatoa Tale Jeneralin'ny Jirama ary nirary mba handresy tahaka izany ihany koa ny ekipa eo amin'ny sehatry ny angovo”, hoy ny fampitam-baovaon’ny Jirama momba ity vokatra azony tamin’ny lalao ara-panatanjahantena ity. Irariana mba ho toy izany ihany koa ny vokatra amin’ny fampisitrahana angovo sy rano ny vahoaka, hoy kosa ny vazivazin’ny olona.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT