Sport

Lalaon’ny Elgeco sy ny Barea hifanitsaka


  • Alatsinainy 07 Aogositra 2023

Hiteraka olana eo amin’ny firafitry ny ekipa…

Fantatra izao fa hatao ny 19 aogositra ao Gaborone renivohitr’I Botwana no hatao ny lalao mandroson’ny fiadiana ny Amboaran'i Afrika hifandonan'ny Gaborone United sy ny Elgeco Plus. Ho sarotra ho an'ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe na Roro izany no hiantehitra amin'ireo mpilalaon'ny Elgeco Plus izay tao anaty Barea. Tsy misy Datsiry sy Tony izany aloha ny Barea raha ny lojika satria afaka andro vitsivitsy ny lalao miverina izay mety tafiditra amin'ny fandaharana ny Lalaon'ny Nosy. Izany eo ihany fa raha tsy mahazo an'i Datsiry sy Tony ny Barea dia marina ihany koa ny mifanohitra amin'izay satria tsy hahazo ireo Barea hanantevin-daharana azy ihany koa ny Elgeco Plus. Raha ny firafitr’ireto olon'i Alfred Andriamanampisoa ireto anefa dia maha kely finoana ihany. Raha ny AS Fanalamanga aza moa tsy resiny dia inona no hianteherana? Sady misy an'ireo mpilalao efa nahazo taona toa an'i Zola sy Dino kapiteny! I Onja ilay Adema taloha no mba mety mampitahotra nefa miady irery satria mbola tsy ao raha Elliot ilay mpilalaon'ny Zanakala. Asa aloha fa hatreto dia mbola baraingo ny avin'ity Elgeco Plus ity?


Tsara ny mampahafantatra, fa foana ihany koa ny lalao ara-pirahalahiana eo amin’ny Barea sy ekipan’I Kenya tokony hatao amin’ny tapak’ity volana ity eny Mahamasina. Anton’io ny fisafidianan’ny Harambee Stars ny fifaninanana “tournoi des clubs de la CAF”.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT