Sport

Lalaon’ny Barea sy Tonizia Hosorohana ny delestazy eto Iarivo, hoy ny Jirama


  • Alarobia 10 Jolay 2019

Hampitomboina ny tanjaky ny herinaratra vokarin’ny Jirama eto Antananarivo ho an’ny rahampitso alakmisy 11 jolay hisian’ny lalao baolina kitra goavana hifanandrinan’i Tonizia sy ny Barean’i Madagasikara eo amin’ny dingana ampahefa-dalan’ny CAN 2019.

 

 

 

 Niteraka fimenomenonana tamin’ny olona ny fahatapatapahan’ny herinaratra tamin’ireo lalao teo aloha, toy ny fifandonana tamin’ny RD Congo. Niakatra ny taham-pampiasana ny herinaratra satria samy mandefa ny fahitalavitra ny olona, hany ka tsy zakan’ny tosiky ny herinaratra intsony, raha ny fanazavana tsotsotra. Efa nilaza ny hitondra vahaolana sy mba hitsitsy ny fandaniana toy ny fampiasana zavatra matanjaka be ny Jirama mandritra io fotoana io, fa mba ny fahitalavitra ihany. Hisy ihany koa ny fiomanana amin’ny famahana olana haingana amin’ireo toerana sy faritra tena efa voamarika fa matetika misy olana ny famatsiana. Heverina izany fa hisitraka herinaratra ara-dalàna tsy misy olana ny rehetra rahampitso, ary hirariana mba tena hisy vahaolana tsy vonjy tavanandro fa maharitra. Raha ho an’ny omaly mantsy izao, dia toerana am-polony maro teto Antananarivo sy manodidina no nisedra fahatapahan-jiro.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT