Sport

Lalaon’ny Barea anio 20 000 sy 30 000Ar ny fidirana eny amin’ny “Tribune”


  • Alakamisy 02 Septambra 2021

Momba ny fahafahana mijery mivantana ny lalao kosa, dia misy ny tapakila maimaimpoana izay efa nozaraina ho an’ireo mpankafy 10 000 ho eny amin’ny “Gradins”,

 ary misy kosa ny tapakila amin’ny vidiny 20 000Ar sy 30 000Ar ho an’ny sokajy VIP eny amin’ny “Tribune”, izay nambaran’ny Fanjakana fa hamidy eny Mahamasina anio. Mbola misy moa ireo olona nitady tapakila maimaimpoana teny Mahamasina mba ahafahana mijery sy manatrika ny lalao, saingy “Jeton” ahafahana manatrika ny fanokanana kianja amin’ny sabotsy 4 septambra sisa no azon’izy ireo sitrahana. Na eo aza tsy fahafahana mijery mivantana eny Mahamasina, dia efa nampahafantarina ofisialy omaly fa handeha sy hotantaraina mivantana ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana RNM sy TVM moa ny lalao anio, izany hoe afaka hisitraka izany ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy. Saika mirona bebe kokoa amin’ny resaka fijerena sy fanohanana ny ekipam-pirenena aloha ny sain’ny olona na eo aza ny lanonana goavana handanian’ny Fanjakana vola tsy toko tsy forohana amin’ny fanokanana, izay nakana mpanakanto malaza maro, hisy fanapoahana afomanga.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT