Sport

Lalaon’Iarivo andiany voalohany Ekipa 147 avy amin’ny orinasa 40 no handray anjara


  • Zoma 20 Aprily 2018

Fantatra tao amin’ny dinika ara-teknika notontosaina tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina tamin’ny alarobia 18 aprily lasa teo fa ekipa miisa 147 avy amina orinasa manodidina ny 40 latsaka kely any ho any no handray anjara amin’ilay “jeux corporatifs” karakarain’ny Kaominina Antananarivo-Renivohitra nampitondrainy ny anarana hoe :

 "Lalaon'Iarivo" andiany 1 ho tontosaina manontolo ao anatin’ny faritry ny kianjan’i Mahamasina rahampitso sabotsy  21 sy amin’ny alahady 22 aprily 2018 tontolo andro. Lalao natokana ho an’ireo mpiasa tsy manan-kara-pilalaovana matihanina (non licencés) eny anivon’ireo toeram-piasana samihafa nisoratra anarana izy ity ka ny ekipa 32 amin’ireo dia hifaninana amin’ny lalao baolina kitra, ny 27  amin’ny taranja basket mixte, 19 hifaninana amin’ny tsipy kanetibe, 18 hilalao lawn tennis, 17 hanao volley ball mixte, 15 hilalao belote, 12 hilalao tenisy ambony latabatra ary ekipa 7 no hifaninana amin’ny basket vehivavy. 21 et 22 aprily2018.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT