Sport

Lalaon’i Madagasikara sy Niger Miandry fankatoavan’ny CAF ny fanatrehan’ny mpijery


  • Zoma 12 Martsa 2021

Nisy ny fangatahan’ny avy eo anivon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra miantefa any

 

 

 amin’ny kaonfederasionina afrikanina mba ahafahan’ireo mpanohana ny ekipam-pirenena Malagasy hanatrika ny fihaonana eo amin’i Niger sy ny Barean’i Madagasikara izay atao ny 30 martsa izao ao Barikadimy, raha ny fampitam-baovao voaray. Hatreto anefa dia mbola mitazona ny fanapahan-keviny ny amin’ny tsy tokony hanatrehan’ireo mpijery ny fifanitsanan’ny CAN 2022 rehetra ny CAF, araky ny voalazan’ity loharanom-baovao ity hatrany. Mandeha, araka izany, ny fifandresen-dahatra eo amin’ny roa tonta ary dia miandry fankatoavana mikasika izany, araka izany, ny kianjan’I Barikadimy ao Toamasina. Ankoatr’izay dia mitaky ihany koa ny CAF ny amin’ny mba hametrahana seza amin’ireo tohatra fipetrahana na “gradins” eo amin’ity kianja ity. Na izany na tsy izany dia efa nankatoavin’ny CAF ho afaka handray io lalao amin’ny 30 martsa io aloha izany ny kianja, raha ny vaovao voaray hatrany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT