Sport

Lalaon’i Barea sy Elefanta Mangataka fanemorana i Nicolas Dupuis


  • Zoma 30 Oktobra 2020

Ny alarobia lasa teo dia nanao fanambarana ny filoham-pirenena frantsay fa miverina amin'ny fihibohana indray ny ao Frantsa, hoy ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra, Nicolas Dupuis.

 

Voalaza tamin'izany fa mikatona ny sisintany ao Frantsa ankoatry ny firenena Eoropeanina. Iarahantsika mahafantatra anefa fa ao Frantsa daholo ny ankamaroan'ireo mpilalaontsika ireo no milalao ary miisa 17 be izao. Tamin'ity maraina ity ary ny tenako dia nifampiresaka tamin'ny FMF mba hitady hevitra any amin'ny CAF ny mba hanemorana io lalao io, hoy hatrany ity mpanazatra ity omaly. Sarotra ny lalana lalovan'ny baolina kitra manerana izao tontolo izao noho ny fisian'ity Covid-19 ity. Mirary fahasalamana ho an'ny rehetra ny tenako. Araraotiko ihany koa, hoy hatrany izy, ny miarahaba sahady ny filoha Ahmad sy mirary soa azy ho lany soaman-tsara ka hitantana indray ny kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra na CAF.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT