Sport

Lalaon'ny Nosy-Volley Ball “Mety medaly volamena no horombahiny vehivavy”


  • Talata 08 Aogositra 2023

Nanome toky i Mélissa Rambony fa mety mahazo medaly volamena amin'izay ny mpanao vollley vehivavy.

Manazava ity zanak'i Bao Monique ilay kintan'ny basket malagasy ity fa efa betsaka ireo mpandimby mahay ka mety tsy ho votsitra intsony ny medaly volamena. Efa ela rahateo ny fanomananyenan'ny volley malagasy hoy izy ary izay no mahatonga an'i Melissa feno fanantenana. Fantany rahateo ireo mpifanandrina aminy satria dia any Seychelles izy no milalao ao amin'ny ekipan'ny Anse Royale. Efa hitako tamin'ny fifaninana tany Maorisy farany teo fa misy mahay ireo mpilalao nandrafitra ny GNVB saingy ny vintana sy ny traikefa no tsy ampy kely Na izany aza dia faly i Melissa mahita fa mbola ao anatin'ny ekipa malagasy ry Eugenie be sy Lalah izay niaraka taminy nandritry ny Lalaon'ny Nosy tatsy Maorisy. Tombony hoy i Melissa ny fananana ireo teknisiana tanora toa an'i Gildas sy ny DTN Honoré Razafinjatovo eny fa na dia ny filoha lefitry ny Federasiona Mamy Ranaivoson izay tena niaina tao anatin'ny volley ary inoako fa mahafantatra tsara ny filana rehetra mba ahatonga ny ankizy ao anaty heriny tokoa. Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT