Na ahoana na ahoana fandaminana sy arofenitra napetraka dia tsy nety, tsy rariny fa tena fanosihosena ny fiandrianam-pirenena no nataon’i Cathérine Paoli tompon’andraikitra ao amin’ny komity mpikarakara ny lalaon’ny Nosy ny fisintonana tsotra izao ny sainam-pirenena Malagasy teny am-pelatanan-dRalisoa Nina, ilay atleta
Malagasy nahazo ny medaly volamena, tsy vitan’izay fa dia naforiporitra tahaka ny voro-damba ilay sainam-pirenena Malagasy. Tsy ela taorian’io anefa ny mahorey telo voalohany tamin’ny fanipiazana lefona dia nisalotra saina teny ambony lampihazo. Nahasorena ny maro mihitsy koa ny fanapahan-kevitra tsy nihirana ny hiram-pirenena ho an’ireo mahazo medaly volamena. Tany amin’ny fifaninanana hafa toy ny judo anefa dia mbola nohiraina tamin’io andro io ny hiram-pirenena ary niravaka saina ireo mpandresy. Tsy tana fa lasa ireo mpijery mpanohana indray no manao ny hiram-pirenena raha ny hira fanevan’ny Lalao no nasolon’ny mpikarakara izany. Toa misy mizana tsindrian’ila ny fahitana ilay izy ary tena nanaratsy endrika ity lalaon’ny nosy tanterahana atsy amin’ny nosy La Réunion ity.
Fialan-tsiny diplaomatika
Efa nilana vanona sy nampifilafilaina ny malagasy amin’ny fahazoana Visa, izao mbola hanaovana toetra tsy zaka ihany koa raha mba te hampisongadina ny fireneny. Nitaky fialan-tsiny avy hatrany noho io fihetsika io moa ny minisitry ny fanatanjahantena ary efa niaiky ny fahadisoany ary niala tsiny omaly ny komity mpikarakara ny Lalaon’ny Nosy andiany faha 9. Moa ve hanaiky mora foana an’ireny ny Reinioney raha teto Madagasikara, ohatra, no natao tahaka ireny ny sainam-pirenena Frantsay ? Ary tena mety zava-doza aza no nitranga raha atleta avy amina firenen-kafa Afrikanina na Arabo no natao tahaka ireny mandritra ny lanonana ofisialy, ary tsy vitan’ny fialan-tsiny diplamatika manaboribory resaka fotsiny. Toa mampiseho ny toe-javatra tahaka ireny fa mihevitra ny Malagasy ho mbola zanataniny sy andevony ny Frantsay sasany ka manao izay tiany amin’ny fotoana rehetra.
RTT
I
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.