Sport

Lalaon’ny Nosy Tsy handray anjara i Madagasikara ?


  • Zoma 24 Jolay 2015

Nanaitra ny fanambarana nataon’ny Komity mpikarakara ny Lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina (COJI), andiany faha-9 izay hotanterahina atsy La Réunion manomboka amin’ny 1 aogositra

 

izao, ary notaterin’ireo gazety mivoaka ao an-toerana fa hatry ny alarobia nanaovan’ny COJI valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nilazany ny fizotry ny fanomanana, dia tsy manam-baovao mikasika ny ho fandraisan’anjaran’i Madagasikara izy ireo. Raha ny re dia ny fahataran’ny fikarakarana VISA ho an’ireo atleta hisolotena antsika no olana izay mety hitarika ny tsy fandraisan’anjaran’i Madagasikara. Eto an-toerana moa toa tsy rototra amin’izany ny mpitondra fanjakana. Ny minisitra mpiahy rahateo aza mbola seriny dia seriny amin’ny fampielezan-kevitra hampandaniana ireo kandidan’ny antoko HVM any Matsiatra Ambony any. Na filan-kevitry ny governemanta na filan-kevitry ny minisitra tokony handinihana ny raharaham-pirenena aza moa tsy nisy raha ny tamin’ity herinandro ity, ka asa na hivaha haingana ity raharaha ity, na natakalon’ny mpitondra resaka politika, fa mety hampihena ny fifantohan-tsain’ireo atleta, manampy trotraka ny olana amin’ny fandraisana an-tanana azy ireo mandritra ny fanomanantena azy ireo mialoha ny lalao raha handeha ihany.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT