Lalaon'ny Nosy

Tsipy kanetibe Ao daholo ny henjana saingy…


  • Alarobia 23 Aogositra 2023

Mandra-piandry ny valin-ten'i Claude Azéma filohan'ny Federasiona iraisam-pirenena aloha dia nanomana ihany ny mpilalao tsipy kanetibe eny Vontovorona.

Mbola tsy misy valin-teny mazava hatreto fa dia kopy soroka ataon'ny MJS aloha izao fanampahan-kevitra izao satria tsy sahy mihetsika ny FSBM sao hitombo eo indray ny sazy iraisam-pirenena ho an’ny tsipy kanetibe Malagasy. Very medaly volamena fito mantsy ny Malagasy raha tahiny ka tsy raikitra io. Ny azo tenenina aloha dia saika ao daholo ireo sangany amin'ity taranja ity na eo amin'ny lahy na ny vavy. Miakina betsaka amin'ny fahaizana mandahatra ireo mpilalao anefa ny vokatra satria dia lalaon'olona miaraka eto ny resaka. Ho sarotra anefa ohatra ny safidy satria raha ny lehilahy ny resaka dia ao i Tafita, Toutoune, Hery Monde, Havana, Vazaha, Ram's Yves, Radoko ary Haja sy Célestin. Eo amin'ny vehivavy indray dia tena nanjaka ry zareo BIC Ambohimahasoa. Efa tanjon'ny filoha mpanorina ity klioba ity moa no hanana ekipa matanjaka afaka hifaninana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ka tsy nitandroany vola aman-karena ny namoroana ireo vehivavy sangany toa an'i Hasina, Judicaël, Vony, Odile, Tahina Kely, Mirana. Felana, Prisca. I Fanantenana sy Christina no mameno ny isa ho folo. Raha fehezina dia tokony ho lasan'ny Malagasy daholo ny laharana voalohana na olona tokana na olon-droa miaraka ary indrindra moa fa olona telo. Mila manao safidy tsara ireo heverina ho teknisianina fa na izany aza dia misy ireo efa zatra miaraka aty tsy mila mpanazatra.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT