Sport

Lalaon'ny Nosy Tena ho sarotra ny fandidiana !


  • Talata 14 Febroary 2023

Ho tontosaina eto amintsika ny 23 aogositra ka hatramin'ny 3 septambra ianao n'y Lalaon'ny Nosy.

Afaka enim-bolana izany raha ny marina saingy hatreto aloha dia tsy mist mandeha amin'izay laoniny ny raharaha. Taorian'ny tsy nahakada ireo ankizy tamin'ny Lalaon'ny CJSOI iny dia mampanontany tena ny hoe mbola ho zakan'ity minisitera MJS ity ve ny fikarakarana ny Lalaon'ny Nosy. Raha antony ny fahombiazana hatramin’izay mantsy dia apetraka feno amin'ny komity mpitantana na COJI ny raharaha. Akory anefa ny hatairana raha nahare fa mbola ny minisitra Tinoka Roberto ihany no voalaza fa ho filoha. Tsy fanao izany na taiza na taiza satria ny minisitra no manara-maso voalohany ny asan'ny COJI. Ity farany indray dia saika olona ivelan'ny minisitera no miasa ao. Tao ohatra no niala i Solo Rajaonarivelo sy Tsilavina Ralaindimby izay samy efa maty. Fa tao koa ny Filoha Andry Rajoelina izay tsy atoro ny fomba fiasa tamin'izany ary ireo mpanao gazety efa tena za-draharaha satria dia misy ny efa teo ny taona 1985 tatsy Maorisy ka hatramin'izao. Mbola misy ireo mpanao gazety efa tany Harare tamin'ny Lalao Afrikanina ary ireo tany amin'ny Lalao Frankofonia tany Paris sy Ottawa. Na tiana na tsy tiana dia mila ny traikefa an'ireo rehetra ireo ny Lalaon'ny Nosy eny fa na dia hiteny fotsiny aza hoe mba sokafy ho an'ny taranja sasany ny ao ambanin'ny gradin Mahamasina fa tsy hoe natokana ho an'ny baolina kitra sy basikety fotsiny. Mety tsy omena tsiny ny minisitra tompon'andraikitra misahana ny Kianja Barea satria ny Tanàna Vaovao no andraikiny fa tsy ny fanatanjahantena. Lasa tsy manana hanaovana fanomanana miaraka ny judo, haltérophilie, boxe, karaté izay mbola tsy milamina fa eo koa ny ady totohondry sy ny kick boxing. Sa ve dia hiantehitra amin'ny fanampian'ireo Sinoa fotsiny ihany. Ho sarotra mantsy ny mihevitra hoe eto an-tanàna ny Lalaon'ny Nosy no hatao nefa ho fahatelo raha tsy fahaefatra i Madagasikara. Ny loza dia ho very medaly volamena sivy isika raha vao hofoanana ny tsipy kanetibe noho ny tsy fandoavana ny volan'i Dolys Randriamarohaja , izay tena takian'i Claude Azéma izay filohan'ny federasiona iraisam-pirenena. Eo ihany koa ny tsy fanomezana lanja ny taranja lomano nefa misy 106 ny isan'ny medaly hifaninanana. Mbola betsaka ny ezaka tokony hatao raha te ho voalohany nefa atao ahoana moa raha ny mpitarika aza miraviravy tanana. Dia ho asa fotsiny ...
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT