Sport

Lalaon'ny Nosy Tena hiasa be ny kianja eny Vontovorona


  • Zoma 17 Febroary 2023

Isan'ireo kianja handray taranja maro hifaninanana mandritry ny Lalaon'ny Nosy ny etsy amin'ny CNaPS etsy Vontovorona.

Raha ny tapaky ny komity mpikarakara mantsy dia hatao eny ny baolina kitra, ny ady totohondry, ny kickboxing sy ny badminton ary ny tifitra tsipika izay taranja vaovao tafiditra tamin'ity andininy faha iraikambinifolo ny Lalaon'ny Nosy .
Malalaka sady lehibe ny fotodrafitrasa eny Vontovorona ary afaka mampiatrano tsara ireo mpifaninana ilay hotely be mojoalajoala any saingy niato ny asa noho ny fanenjehana ny Tale Jeneralin'ny CNaPS sy ny Praiminisitra tamin'izany fotoana izany. Ankehitriny anefa dia toa miodina ny tantara satria toa ilain'ny fanjakana ihany ity Complexe Sportif an'ny CNaPS ity. Efa niasa be ireo efitrano maro be tamin'ny fotoanan'ny Covid 19 iny fa izao izy tena hiasa daholo na ny gymnase na ny eny ivelany aza. Misy ireo efitra lehibe hisakafoanana ary hatramin'ny toerana fanaovana tennis sy dobo filomanosana. Tena feno ny fepetra rehetra ary tsara ihany ny mampatsiahy fa Raoul Arizaka Rabekoto no tompon-kevitra tamin'ny fananganana ity toerana tena avo lenta sy afaka mandray mpiofana maro amin'ny taranja rehetra ity. Mitovy tsisy valaka amin'iny Clairefontaine an'ny frantsay raha ny marina. Ny tokony amboarina angamba dia ny lalana miala eo amin'ny CUR Vontovorona mankany. Mbola afaka mamoaka vola amin'izany ve aloha ny tale jeneraly mpisolo toerana ao amin’ny CNaPS amin'izao ? Nefa aoka ihany ataon'ny fanjakana sao ahita loza eo koa ny namana Joslina Tsaboto, ilay andrarezin'ny baskety vehivavy tamin'ny fotoanandrony.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT