Filaharana: Mijanona ho lah-2 i Madagasikara amin’ny medaly azo. Lah-1 i Maorisy efa nahazo volamena 10, volafotsy 8 ary alimo 9 hatramin’ny omaly hariva, lah-2 i Madagasikara manana volamena 10, volafotsy 5 ary alimo 6 ary fah-3 i la Reunion nahazo volamena 8, volafotsy 15 ary alimo 5.
Atletisma: Nitohy ny fandrombahana medaly volamena azon’ny malagasy. Taorian’ny azon’i Heritiana (1500m lehilahy), Elodie (100m vehivavy), Nany (10000m vehivavy) dia niraradraraka indray ny volamena omaly tao amin’ny kianjan’i Paul Julius Benard. Medaly volamena indray no azo omaly tamin'ny alalan'i Olga tamin’ny 400m misy fefy, Eliane Saholinirina tamin’ny 1500m vehivavy sy i Damien Lorin tamin’ny 800m lehilahy ary Mampitsoatsy tamin'ny 10 000m lehilahy. Niala an-daharana kosa i Fulgence.
Handisport: Anisan’ireo nandrombaka medaly volamena koa ny alahady teo i Miarimbola Njakatiana tamin’ny vikin-dava sokajy vehivavy ho an’ny marenina (4,60m). Nanampy an’io ny volamena azon’i Crasela Todisoa tamin’ny 100m manana fahasembanana (14’’86).
Kitra: Taorian’ny nanamontsanan’ny Barea vehivavy ny Maorisianina 5-0 tamin’ny andro voalohany dia nandavo an’i la Reunion indray izy ireo ny alahady teo efa tany amin’ny “tirs au but” (2-2, 8-7) ny alahady teo. Mpampidi-baolina be indrindra izao ilay mpanafika malagasy Sophie izay nahafaty 5 tamin’ny lalao roa. Taorian’ny faharesena ambony latabatra nanoloana an’i Seisela kosa dia nanilika an’i Mayotte ny Barea lehilahy efa tany amin’ny “tirs au but” koa (1-1, 3-1) ny alahady teo.
Volley: Niatrika ny lalaony faharoa ny ekipa vehivavy ka lavon’i Seisela tamin’ny seta 3-0 25/20, 25/20, 25/18) omaly tao amin’ny kianja mitafon’ny Champ Fleuri taorian’ny nandavoany an’i Maldives 3-0.
Hand: Nibaby faharesena ihany koa ny ekipa lehilahy izay lavon’i Mayotte tamin’ny isa 40-33 omaly tao amin’ny kianjan’i Daniel Narcisse any la Pocession.
Badminton: Nitohy ny faharesena ho an’ny ekipa malagasy tamin’ny fifaninanana isan-tarika. Lavon’i Seisela tamin’ny isa 2-3 indray omaly ny ekipa malagasy lehilahy tao amin’ny kianja mitafon’i Michel Debre St Andre.
Baskety: Taorian’ny nandresen’ny ekipa lehilahy an’i Seisela, tompon’ny anaramboninahitra farany (69-64) ny alahady teo dia nandresy tsy niady indray omaly ny malagasy nanoloana an’i Kaomaoro izay niala an-daharana.
Kaomaoro: Nanapa-kevitra ny hiala an-daharana tanteraka tsy handray anjara amin’ity Lalaon’ny Nosy andiany fah-9 ity i Kaomaoro. Tsy eken’izy ireo ny nanekena an’i Mayotte ho nosy frantsay. Hiala any la Reunion anio ny delegasiona Kaomaorianina.
Nangonin’i Serge Rasanda
Nany sy Olivia niravaka ny medaly volamena sy volafotsin’ny 10 000m vehivavy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.