Sport

Lalaon’ny nosy tapatapany


  • Alatsinainy 03 Aogositra 2015

Lanonam-panokafana : Nanamarika ny lanonam-panokafana ny fialan-daharan’ny delegasiona kaomaorianina noho ny tsy fahazakany ny filanjan’ny delegasionin’i Mayotte ny saina frantsay sy ny fihirany ny hiram-pirenena frantsay tao amin’ny kianjan’i Paul Julius Bénard St Paul.

Baskety : nandresy ny nosy Seychelles teo amin’ny taranja Basketball tamin’ny isa 69 no 64 omaly hariva ny ekipam-pirenena zazalahy Malagasy.Io no lalao voalohany tao amin’ny sokajy A.Hita ho niady ihany ny lalao satria nifanakaiky hatrany ny isa, niaiky anefa ny mpilalao Seiseloa fa anisan’ny sangany aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny mpanao baskety Malagasy.

Tenisy : Nisantatra ny fandresena tamin’ny fifaninanana an’olon-tokana lehilahy Rasolondrazana Jacob izay nandresy (7/5, 6/2) an’ilay maorisianina Kamil Patel tao amin’ny Tennis Club Champ Fleuri St Denis. Resin’ilay reniôney Olivier Duberville (6/3, 6/3) kosa Ratsifandrihamanana Mamy Ialy.

Hand : Ratsy fanombohana ny ekipa Malagasy vehivavy satria lavon’i Mayotte tamin’ny isa 24-20 tamin’ny lalaony voalohany tao amin’ny vondrona A omaly tao amin’ny kianja mitafo Daniel Narcisse any la Possession.

Badminton : Tsy nahovoka an’ny ekipa maorisianina ny ekipa malagasy. Nomontsanin-dry zareo maorisianina tamin’ny isa mavesatra 5-0 mantsy ny ekipa malagasy tamin’ny fifanintsanan’ny isan-tarika tao amin’ny kianja mitafon’i Michel Debré any St André

Biskileta : Tsy tafakatra lampihazo fa lah-4 ny malagasy tamin’ny “course contre la montre” omaly izay natao tany amin’ny manodidina an’i Etang Salé (48,5km). Lah-1 la Réunion (1:1:55), lah-2 Maorisy (1:4:20), lah-3 Seisela (1:7:41) aryl ah-4 Madagasikara (1:12:8).

Rasanda Serge


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT