Lalaon'ny Nosy

Nanjaka tanteraka ny mpibata fonjamby Malagasy


  • Alatsinainy 28 Aogositra 2023

Andro tsara ho an'ny fibatana fonjamby ny omaly. Tamin'ireo fifaninanana efatra notontosaina tao amin'ny Lapa kely

etsy Mahamasina dia lasan'ny Malagasy avokoa ireo medaly volamena 12. Mbola nisy koa ireo zava-bita tsara indrindra tamin'ny Lalaon'ny Nosy rehetra toa an'i Eric Andriatsitohaina izay nahavita 107 kg ny arraché ary 145 kg by épaulé jeté. 252 kg izany no totaly olympika nahazoany ny volamena fahatelo. Efa nampoizina koa fa hanao poa telo koa i Rosinah Randafiarison teo amin'ny sokajin-danja latsaka ny 45 kg. 75 kg ny arraché ary 90 kg kosa ny épaulé jeté. 265 izany ny totaly olympika. I Rosina rahateo no nanokatra ny medaly volamena Lalaina Sabrina (-49 kg) no vehivavy faharoa nahazo medaly volamena telo ary Ricardo kosa teo amin'ny lehilahy. Mbola misy efatra hiaka-tsehatra ny Malagasy anio ao amin'ny Lapakely Mahamasina.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT