Sport

Lalaon'ny Nosy Nandresy ny Barea


  • Zoma 25 Aogositra 2023

Sahirankirana ny Barea fa nandresy ihany omaly teny amin'ny Kianja Elgeco Plus. Baolina tokana matin'i Tendry (19)

no nahatafita ny Malagasy any amin'ny manasa-dalana sahady. Resy 1 noho 0 izany ry zareo Seychelles fa tsy mbola raraka satria miandry ny fihaonana amin'i Maorisy. Tao anaty lisitry ny Barea i Fabien Boyer fa tsy nijoro izy noho ilay bozaka saintetika. Ary marina ny azy satria ny bozaka tsy natoraly toy itony dia tsy eken'ny FIFA hanaovana lalao iraisam-pirenena. Natokana ho kianja hanazaran-tena ihany ny toy itony fa isika no nihazakazaka be taminy. Teo amin'ny lalao voalohany teny amin'ny By Pass dia nisaraka ady sahala samy tsy nitoko i Mayotte sy Komoro.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT