Sport

Lalaon’ny Nosy Madagasikara sy Kaomoro ihany no mandoa “visa”


  • Talata 28 Jolay 2015

Ireo delegasiona avy aty Madagasikara sy i Kaomoro irery no nampandoavin’ny nosy la Réunion “visa” tamin’ireo delegasionina mandray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy izay hatao atsy amin’ity nosy rahavavy ity ny1 -9 aogositra ho avy izao.

 

 Mahatratra 209.000 ariary isan’olona anefa ny saran’io visa io ankoatry ny saram-piatohana na “assurance”. Ny  tsy  fahaizan’ny  fanjakana  Malagasy sy ny  masoivohontsika atsy amin’ny nosy  la Réunion izay tsy  iza fa  atoa Ramamonjisoa Virapin izay  minisitry ny  fanatanjahantena teo aloha miresaka ve no tsy  nahazoantsika an’io tombotsoa azon’ny nosy hafa toa an’i Maorisy sy  Seisela  ary Maldiva io sa  dia fepetra manokana  apetraka amin’ny Malagasy tsotra izao  kanefa ny fanehoana ny firaisankina sy ny fifankatiavan’ny tanora aty amin’ny ranomasimbe Indiana no tena  ao  ambadiky ny  lalaon’ny Nosy. Amin’ny  lafiny  iray koa anefa dia azo ambara fa lesoka iray  hafa mety mahasarotiny ny tompon’andraikitra atsy amin’ny nosy la Réunion koa ny  tsy  fahaizan’ny  mpanabe mitaiza ny tanora Malagasy.Tamin’ny  taona 2010 aza moa  nandritra ny  lalaon’ny  kaomisionin’ny  tanora sy ny fanatanjahantena izay natao  tany amin’ny nosy la Réunion ihany dia mpanabe tamina taranja  iray mihitsy no tratra nanao risoriso sigara ka tratra tany amin’ny  entan’ireo ankizy hifaninana avokoa ny  “cartouche” na sigara efa ho zato mahery.

Andry Ratovo 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT