Sport

Lalaon'ny Nosy Laura Rasoanaivo no mitondra ny sainam-pirenena Malagasy


  • Zoma 25 Aogositra 2023

Hotontosaina anio tolakandro etsy Mahamasina ny lanonam-panokafana ny Lalaon'ny Nosy 2023.

Efa nisy famerenana omaly teny an-toerana ary izany no nahafantarana fa ilay mpiangaly judo tompondakan'i Afrika teo amin'ny sokajy junior no hitondrana ny sainam-pirenena malagasy. Safidy izay tsy hiadin-kevitra satria dia tena namiratra teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena raha i Laura Rasoanaivo. Ny hita omaly anefa dia sempotra ihany ry zareo mpikarakara ary mifamahofaho be ihany indrindra eo amin'ny sakafo satria dia misy sahady ireo tratry ny aretina. Misy indray dia tsy nihinana mihintsy toy ireo mpitsara baolina kitra avy atsy Komoro. Tena tsy milamina mantsy ihany koa na ny mpanao gazety vahiny aza izay misalotra ny akanjo misy soratra TVM ankoatra ireo karatra tsy misy tady nozaraina. Ny loza aza omaly dia nisy nifamadika ny sarin'ny atleta. Iny anefa no tsy maintsy hiambozonana rehefa hiakatra sehatra. Ny Ministeran'ny Fanantanjahantena ihany moa no sady COJI ary ny Tale Jeneralin'ny Fanantanjahantena ihany koa no Tale mpanantanteraka ny Lalaon'ny Nosy. Marina raha tsy ohatry ny lany olona manampahaizana ity Madagasikara. Asa aloha izay avoakan'ny anio fa hatreto aloha dia mamoaka sary ratsy ity Lalaon'ny Nosy.Ary asa na natao fanahiniana fa tsy mba misy fiara mitatitra ny mpanao gazety eto an-toerana.Ny sary alefan'ny TVM anefa dia tena tsy matihanina mihitsy.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT