Samy velombelombolo daholo nankeny Iavoloha ! Tsy niandry ela fa iray andro nahatongavana an-tanindrazana dia noraisin’ny filoham-pirenena teny Iavoloha tokoa ireo atleta nahazo medaly rehetra tamin’ny Lalaon’ny Nosy, tsy toy ny tamin’ny “beach soccer».
“Tsy nody tanam-polo” tokoa araka ny nambaran’ny minisitry ny tanora sy fanatanjahantena raha nandray fitenenana omaly. Raha nandray fitenenana kosa ny solontenan’ireo atleta, Elodie Embony izay nisalotra volamena telo sy alimo iray dia nisaotra ny filoha ary mbola nampatsiahy ny tokony hijerena azy ireo akaiky amin’izay ataony. Tsiahivina fa medaly 123 no azon’i Madagasikara ka naha lah-3 azy, medaly volamena 36, volafotsy 45 ary alimo 42. Nanatrika teny an-toerana koa ireo mpitantana sy teknisianin’ny federasiona ary minisitra vitsivitsy izay mpiahy ireo taranja 15 nifaninanana tany La Réunion.
Sangy ratsy…
Fampatsiahivina ny “isa 3 isan’ny mpandresy” indray re no nanombohan’ny filoha ny lahateniny ary tsy ilay fankasitrahana nandrandrain’ny atleta no noventesiny. Nitsifotsifotra sy ningonongonona ary ireto atleta fa tsy nisy resaka ilay fankasitrahana nandrandraina. Efa teny ampiarahana niala hetaheta vao niverina nandray fitenenana indray ny tandapa ka nilazany fa “tablette Samsung” no homena isak’izay nahazo medaly volamena. Hita fa tsy mbola naharototra loatra ireo atleta akory izany, hita fa mbola gina be izy ireo. “Sangy ratsy ity”, hoy ny sasany. Nandeha ny fotoana, nandeha tany ny resaka dia niverina nandray fitenenana indray ny filoha ary nilaza fa “ny fankasitrahana izay atolotry ny minisitera dia an’ny fanjakana ihany ka manomboka rahampitso (anio) no ahafahana maka izany any amin’ny minisitera : 1 tapitrisa Ariary ny volamena, 5 hetsy Ariary ny volafotsy ary 3 hetsy Ariary ny alimo”. Efa nitaintaina mafy araka izany ireo atleta hay avy eo velombolo sy velon-tehaka ihany. Voadingana tsy voatonona tao mihitsy kosa aloha ireo teknisianina tsy toy ny fanao hatrizay. Izay ny momba an’iny fa hitodika sy hifantoka amin’ny Lalao afrikanina indray izao izay hatao amin’ny fiandohan’ny volana septambra any Congo Brazzaville. Tsy ampy iray volana intsony sisa ka mbola hifanjevo indray ve sa efa naka lesona ?
Rasanda Serge
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.