Sport

Lalaon'ny Nosy Hiantehitra amin'ny vita Sinoa ve ?


  • Alakamisy 13 Jolay 2023

Fa iza no miteny fa rehefa vita sinoa dia ratsy ? Tena hevi-diso izany satria amin'ny sehatra rehetra dia efa tena k lasa lavitra ny firenena sinoa.

Amin'ny lafiny fanantanjahantena izao dia ireo teknisianina sinoa no hianteherana hamonjy ny Malagasy na farafaharatsiny mba tsy hitsanga-menatra mandritry ny Lalaon'ny Nosy hotanterahana ny 23 aogositra ka hatramin'ny 3 septambra ity Izany hoe afaka 40 andro katroka Ary raha mbola tsy hita soritra ny famitana ireo foto-drafitrasa dia sary mahavelom-bolo ho an'ireo taranja tohanan'ny Sinoa Ankoatra ny athletisma izay nisitraka izany nandritry ny efa-bolana tany Shina dia mbola nitphy toy izany koa ny badminton, ny fibatana fonjamby ary ny tennis ambony latabatra izay tena manavanana ireo kely maso ireo Tombony be dia be ho an'ny atleta malagasy izay fiaraha-miasa izao ary inoana fa na dia voafetra ihany aza ny fotoana dia ho azo tsapain-tanana ny vokatra ka ho voasarontsarona ny tsy fahaizan'ny Ministeran'ny Fanatanjahantena amin'ny raharaha toy itony. Aiza ve ka hatramin'izao dia tsy mbola hita soritra ny COJI izay mpisorana afo amin'ny hetsika ara-panatanjahatena toa itony Lalaon'ny Nosy itony. Fahampatsiahivana ihany no hilazana fa tamin'ny andron'i tompokolahy Solo Rajaonarivelo dia herintaona mialoha dia efa nitsangana ny COJI ary tao anatin'ny vaomieran'ny Serasera noentin'i Tsilavina Ralaindimby no nisy ny filoham-pirenena amin'izao Andry Rajoelina. Izay ilay rafitra ary ny MJS dia mijanona fotsiny ho mpanara-maso. Raha izao anefa no fisehony dia Ingahy minisitra Haja Resampa no hianjeran'ny rihatra. Raha tsy efa nanomboka aza satria dia tena mbola tantara be ny mahazo ny tsipy kanetibe izay mbola baraingo raha handray anjara na tsia. Ary ny loza dia tsy io ihany no zavatra tsy mandeha amin'ny laoniny.

Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT