Sport

Lalaon’ny Nosy Handisport: Niravaka volamena i Rimma sy Crasela


  • Alarobia 05 Aogositra 2015

Niampy medaly volamena roa an’ny ekipa malagasy ho an’ireo manana fahasembanana omaly tao amin’ny kianja Paul Julius ao St Paul. Isan’izany ny azon-dRazafindrabesa Rimma tamin’ny 200m vehivavy marenina ka 28’’44 no fotoana vitany.

 Tafiditra lah-2 taoriany ilay maorisianina Lokheerum Shleishe ary fah-3 ilay renioney Piery Ekaterina. Nandrombaka medaly volamena koa i Crasela Todisoa tamin’ny vikin-dava ho an’ny vehivavy marenina ka 3,99m no halavirana vitany. Niditra lah-2 ilay maorisianina Casimir Noelette (3,67m) ary fah-3 ilay renioney Basso Tiffany (3,39m).

Kitra: Nanamontsana an’i Maldives ary tafita hanao manasadalana ny Barea

Afaka ihany raha nitoeran’ny tebiteby teo aloha! Nomontsanin’ny Barea lehilahy omaly i Maldives tamin’ny isa mavesatra 4-0. Tompomarika tamin’ny fampidirambaolina i Jimmy izay nahafaty roa niampy ny an’i Njiva sy Nono. Mbola nisy “penalty” iray aza tsy tafiditr’i Bela. Lah-2 izany i Madagasikara manana isa 6 ao amin’ny vondrona misy azy, aorian’i Mayotte izay manana isa 9. Avotra ihany izany ary tafita hiatrika ny manasadalana ny malagasy ka I la Reunion mpampiantrano no hifanandrina aminy amin’ny ankatoky ny famaranana ny alakamisy izao. Niatrika lalao fitsapana koa omaly ny Barea lehilahy ka resin’ny USSM 0-1. I Gladyson mpilaravinahitra any an-toerana no nahafatditra io baolina io.

Judo: Votsotra ny anaramboninahitr’i Fetra

Medaly voalfotsy roa tamin’i Fetra sy Daniella niampy alimo efatra no azon’ny mpikatroka malagasy omaly tao Champ Fleuri, St Denis. Resin’ilay renioney Guillaume Riviere tamin’ny famaranana i Fetra, tompondaka farany tamin’ny sokajy -81kg. Nisalotra ireo alimo kosa I Valosoa, Ornella, Haingo ary I Ricky. Nanjakan’ny renioney ity taranja ity, Hiitra amin’ireo sokajy maivana kokoa ny ady anio.

Baskety: Samy nandavo an’i Mayotte ny ekipa lahy sy vavy

Tamin’ny isa tery ihany, 85-81 no nandavoan’ny ekipa lehilahy malagasy ny mahorey tamin’ny andro fah-3 amin’ny fifanintsanana omaly tao amin’ny kianja mitafon’ny Complexe sportif municipal, Le Port. Tafavoaka lah-1 ao amin’ny vondrona A izany ny malagasy ary tafita mazava hanao manasadalana. Tetsy ankilany ny andriambavilanitra malagasy dia nanamontsana aihany koa an’i Mayotte tamin’ny isa mavesatra 70-49. Malalaka koa ny lalana ho an’ity ekipa vehivavy malagasy ity ao amin’ny vondrona C misy azy. Madagasikara izay nandrombaka hatrany ireo andiany valo nisesy teo aloha amin’ny Lalaon’ny Nosy.

Ikohizana tokoa i Yann izay nipoitra tamin’ny Afrobasket U18-2014

Tenisy: Tafavoaka tamin’ny fihodinana fah-2 i Sandra, Zaka kely ary Antso

Nisonga mora avokoa ireo mpilalao telo mianadahy niatrika ny fihodinana fah-2 amin’ny fifaninanana olontokana omaly tao amin’ny TC Champ Fleuri. Nitaraina ho reraka mantsy ny delegasion’ny tenisy malagasy noho ny fihemoran’ny sidina tsy nisy farany avy tany Frantsa tsy nahafahana naka aina na nanao fanazaranetena sy nanatrika fivoriana ara-teknika akory araka ny fanamarihana azo. Ho an’ny vehivavy, Andriamarosoa Sandra nanamontsana an’i Delpeche Clive (6/1, 6/0). Ho an’ny lehilahy kosa Rakotohasy Jean Jacques nandresy mora foana an’ilay seiseloa Nibounette Jamal (6/0,6/0) ary Rakkotondramanga Antso nampiondrika mazava an’ilay maldivianina Faaihfazeel Abdulla (6/0,6/0).

Tenisy ambony latabatra: Raraka teo amin’ny ampahefadalana ekipa olondroa

Ho an’ny olondroa vehivavy dia ekipa renioney norafetin’i Riviere Murielle sy Picard Audrey no nanintsana an-dRatsimbazafy Tiana Olivia sy Dimbimiarilanitra Harena Kristianina tamin’ny seta 3-0. Maldivianina nisy an’I Shafeeq Mariyam sy Nimal Fathimah Jumana no nandavo an-dRazafindrafasy Marie-Hélène sy Raharijaonina Santatriniaina tamin’ny seta 3-1. Raraka tamin’ny ampahefadalana koa ny olondroa lahy sy vavy miaraka nisy an-dRandrianantoandro Nirify Erick sy Dimbimiarilanitra Harena Kristianina. lavo tamin’ny seta 3-1 nanoloana ny ekipa renioney , Maillot Sébastien sy Santanon Chloé.

Hand: Voasahalan’i Mayotte ny vehjivavy Malagasy

Nirava ady sahala 20-20 omaly ny fihaonana teo amin’i Madagasikara sy Mayotte ho an’ny sokajy vehivavy tao amin’ny kianja mitafin”I Daniel Narcisse La Possession.

Badminton: Nitohy ny faharesena

Nomontsanin’i Maldives tamin’ny isa mavestara 5-0 indray omaly ny ekipa malagasy lehilahy tao amin’ny kianja mitafon’i Michel Debré any St André.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT