Sport

Lalaon'ny Nosy Efa any Sina ny delegasiona maromaro


  • Alatsinainy 20 Febroary 2023

Fifandrinfian-javatra sa niniana natao ny nizarana ho roa ny delegasiona hamonjy fiofanana any Sina. N'y Talata teo tokoa no nanainga ny atletisma sy ny fibatana fonjamby.

Ireto taranja toa ireto mantsy no tena mitondra medaly betsaka indrindra ary tena azo lazaina fa herin'i Madagasikara manontolo. Tsy Azo iadian-kevitra ny maha lohany an'i Rosinah Eo amin'ny sokajy latsaky ny 48 kg. Toraka izany koa i Andriatsitohaina mirahalahy izay tena hitokisan'ny filohan'ny federasiona, Harinelina Alex Andriamanarivo. Ny taranja atletisma indray dia inoana fa hanao zavatra na dia vao miana-mandeha aza ny Filoha vaovao Dominique Ramaherison satria mandova ny tsara vitan' ny filoha teo aloha Norolalao Andriamahazo. Afaka mandry ivohon'ny vato izany aloha raha ny atletisma sy fibatana fonjamby. Tsy mba toy izany kosa ireto taranja roa nianga omaly dia ny badminton sy ny tenisy ambony latabatra. Ho sarotra amin'ireto izany hiakatra lapihazo izany raha tsy hoe angamba mbola amin'ny tanjany tsara ilay mpila ravinahitra Jonathan Nativel. Mety efa velona koa angamba ny zanak'i Dada, Setra, ny zanaky ny Tale Teknika Nasionaly mantsy e. Efa nomena any daholo ny tokony ho azony ka mety hoe izy no handimby ireo andrarezina taloha toa an' i Sambilo, Landy na Sotema koa aza. Enga anie!
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT