Lalaon'ny Nosy-BAREA

Sarotra ny safidy tsy maintsy nataon’I Roro


  • Alakamisy 24 Aogositra 2023

Efa 23 sisa ireo Barea 25 notazonina farany. Izay no lalana fa tsy nisy azo natao na dia mafy ihany izany hoe

namotsotra an'i Datsiry. Saingy rehefa ao i Boyer sy Berajo dia afaka mandry ivohon'ny vato. Atao ahoana moa fa tsy maintsy nandeha tamin'izany i Roro Rakotondrabe satria raha ny marina dia mbola tsy afaka hampijoro ireo mpilalaon'ny Elgeco Plus izay hiatrika ny lalao famerenana amin'ny Gaborone United ny alahady ireo ka tsy hanaiky izany ny filoha mpanorina Alfred Andriamanampisoa. Ny tena olana amin'izay dia voatery mifidy amin'i Fabrice Fosa sy Bary Fanalamanga hatao mpiandry tsatokazo ny mpanazatra. I Tony sy Dôddy ao anaty lisitra indray dia mbola betsaka ny azo asolo azy. Any amin'ny manasa-dalana izany vao mety hampijoro an'i Nina. Anio alakamisy moa ny fihaonana voalohany amin'ny Seychelles ary sabotsy vao mety mafimafy rehefa mahazo an'i Maurice izay entin'i Fidy Rasoanaivo. Betsaka mantsy ireo milalao any La Réunion nantsoina sady avy nanoman-tena tany Afrika Atsimo ireo Maorisianina ireo ary mbola nandray anjara tamin'ny Cosafa Cup farany teo. Tsy atao tsinotsinona aloha hatreto ity ekipan'i Fidy Rasoanaivo ity .Mandra-piandry izay hidonany aloha dia tsara raha mandresy Seychelles amin'izay dia efa tafiakatra amin'ny manasa-dalana. Ireto ary ireo Barea voatazona anaty lisitra 23. Elgeco Plus : Nina, Tony ary Dôddy Disciples FC : Tantely, Ando Kely ary Tendry CFFA : Dadafara sy Lalaina AS Fanalamanga : Bary sy Rado. JET Kintana: Berajo COSFA: Toky Fosa Juniots : Fabrice, Nicolas, Aurélien, Tsiry, Tiavina ary Jean Yves Saint Michel United : El Hadary Saint Pierroise : Fabien Boyer sy Ando Pro Saint Pauloise : Rojo Be Sainte Suzanne : Théodin . (Sary fanehoana)
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT