Sport

Lalaon'ny Nosy Aza mibitabitaka amin'ny zavatra tsy hay !


  • Alatsinainy 28 Aogositra 2023

Andro fahatelo ho an'ny Lalaon'ny Nosy omaly nefa dia tena mbola tsy misy mandeha amin'ny laoniny ny zava-drehetra.

Ny sakafo aloha dia mbola tara foana ny fizarana azy. Amin'ny 3 ora mbola tsy misakafo ny atleta nefa efa hiakatra kianja. Misy ireo Federasiona no mianto-tena nefa dia tsy izany no nifanarahana. Eo koa ny karatra fidirana izay tena manahirana ny ahazoana azy. Noesorina tamin'ny Federasiona moa ny fikarakarana ka miteraka fahasorenana. Tetsy Ambohidahy eo amin'ny tennis izao dia nolazaina fa tapitra ny tapakila nefa tena mbola malalaka ny toerana. Ny loza dia tsy fantatr'ireo mpikarakara akory ny filohan'ny Federasiona tennis teo aloha, Serge Ramiandrisoa, ka tsy navela hiditra avy eo rehefa nifampiresaka dia hoe efa natao ny karatra ho anao fa mbola tsy azo. Fa ny tena mahamenatra dia tsy navela hiditra koa Dally Randriantefy izay tena andrarezin'ity taranja ity ary tokony omena seza manokana aza noho ny zavatra vitany ho an'ity firenena ity. Raha hiverenana kely ilay loza teny Mahamasina ka raha mitory ireo fianakaviana mana-manjo dia tsy maintsy ny COJI no ho voa. Tsy nahay nandray lesona satria raha nahafaty olona iray ny septambra 2018 dia najaton'ny CAF telo volana io kianja io ary tsy nivoha raha tsy nampitomboina enina ny varavarana fidirana. Ny zoma teo anefa dia varavarana iray C5 sisa no nivoha fa efa feno ny kianja ka niteraka ilay fifanosehana. Mbola tsy fahaizana mitantana ihany nahatonga izany ary efa diso hatrany amboalohany ny nampifangaroana ny Ministeran'ny Fanantanjahantena sy COJI. Tsy mbola izany sady ministra no Tale Jeneralin'ny COJI izany izay tazonin'i Haja Resampa ary tsy mbola izany hoe Tale Jeneralin'ny Fanantanjahantena i Rosa Rakotozafy no mbola Tale Mpanantanteraky ny COJI. Dia gaga ianao !
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT