Sport

Lalaon'ny Nosy - Atletisma Mbola lavitry ny afo ny kitay


  • Alakamisy 06 Jolay 2023

Hatairana no nahafantarana fa mbola be diso ny foto-drafitrasa momba ny taranja fototra atletisma etsy amin'ny kianja be Mahamasina.

Voalaza mantsy fa tsy manaraka amin'ny laoniny ny tsipika natao hanasaraka ny faritra fihazakazahana indrindra ilay manamorina ny kianja fanaovana baolina. Mbola mila amboarina tanteraka koa ny andaniny roa ka ny iray natokana ho an'ny vikina ary ny ilany ho an'ireo taranja atsipy .Ary tsy vitan'izany fa izao vao mazava ny nanafoanana ny 3000 m steeple tao anaty fandaharana satria tsy misy ilay rano kely hitsambikinana ny Kianja Barea. Ary na ny fanipazana disque aza dia tsy maintsy eny amin'ny kianja eny Alarobia no misy ilay fefy saingy mbola tena mila fa amboarana. Ary eo amin'izay lafiny izay dia tena efa potika koa ilay tartan natao hiazakazahana. Mbola manginy fotsiny ireo efitra natokana hidiovana sy ireo trano mifandraika amin'izany. Tsy tenenina intsony moa ny fanomanana by atleta fa dia tsy maintsy niantehitra amin'ny vita sinoa. Fa ny mampanahy dia toa tapaka ny fanazarantena rehefa tafaverina avy any ry Depa sy ny namany. Tsy mba nisy koa moa filazana ny vokatra fa dia tany dia tany ary dia tena sarom-pantarina izay ho avoakan'ny ampitso. Ity taranja ity anefa ankoatra ny fibatàna fonjam-by no antenaina mba hanavotra ny Malagasy mba tsy ho ... fahatelo.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT