Sport

Lalaon'ny Nosy Ataovy tanànan'ny Lalao i Vontovorona


  • Zoma 19 Mey 2023

Amboarina ny lalana mankeny Vontovorona eny amin'ny ivon-toeran'ny fanatanjahatena izay naorin'i Arizaka Rabekoto Raoul ho an'ny CNaPS

ary isan'ny nanenjehina azy ho nanondikodim-bola. Mivadika ny tantara taona maro aty aoriana fa kay moa teny ilain'ny fitondrana ity toerana manan-tantara ity. Tsy hidirana ny hoe sao dia tokony omena an'i Raoul izany an'i Rabekoto fa ny zava-misy aloha hatreto dia tena mety raha ity "Complexe sportif de la CNaPS" no hatao tananan'ny Lalaon'ny Nosy fa tsy mijanona ho sehatry ny taranja efatra fotsiny. Efa manomboka mantsy ny fanamboarana ny lalana avy eo amin'ny CUR mankeny ka efa tomombana ny rehetra Nefa mbola mety ho tsara noho izao io raha hifandrimbonan'ireo orinasa lehibe toa ny Colas sy Sarah ohatra ny famitana ny trano lehibe eny an-toerana izay nokasaina hatao hotely Kintana dimy misy fipetrahan'ny Hélicoptère an'ny Filoha Andry Rajoelina. Efa eny ny jiro da omeo ny Cogelec Elgeco ny mpitsimpitsony fa hataon'ny ekipam'i Alfred Andriamanampisoa ao anatin'ny fotoana fohy izany. Azo amidy toa ireo trano tany Maorisy izany raha toa ka mavesatra amin'ny fanjakana Ho sarotra ho an'ny ministeran'ny Tanora sy Fanatanjahatena anefa izany fa aleo dia komity mahaleotena miaraka amin'ny fiadidian'ny Repoblika no miandraikitra izany. Efa misy efitra lehibe azo hioetrahana anefa ba izany na tsy izany eny ka raha tena tsy vita dia atao fonenan'ny delegasiona malagasy izay mahazo tombony satria efa eo ny kianja ho an'ny tennis, ny fanaovana athletisma sy baolina kitra, ny dobo filomanosana ary ireo efitra lehibe mitafo hanaovana fanazarantena ho an'ireo tatanja maro. Fehiny, tena tsara ity tetikasa ity satria ao aorinan'ny Lalao dia mba omena ny baolina kitra mba hitovitovy amin'ny any Clairefontaine fa tsy hoe any anaty renirano intsony no misasa ireo Barea. Asa aloha fa raha tena fampandrosoana marina no atao dia lalana iray ny fanaovana ivon-toeran'ny fanatanjahatena toy ny eny Vontovorona .
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT