Sport

Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 Isan'ny vitsy mpandray anjara indrindra


  • Talata 23 Mey 2023

Nahazo anarana sahady ny Malagasy fa hoe tompondaka eo amin'ny isan'ny mpandray anjara vitsy indrindra taorian'iny fanenana ny taranja hilalaovana iny.

Tsy vitany ny hoe 12 ireo nesorina fa mbola noferana koa ireo atleta mandray anjara ho 30 lahy sy 30 vavy isaky ny mpandray anjara. Manginy fotsiny moa ny kiakikan'ireo mpiangaly taekwondo izay niditra fampivondronana tamin'ny volana febroary. Miantso tody mihitsy moa ireto farany ary mametraka fanontaniana hoe nahoana no voatazona ny karaté nefa dia mizara roa ka misy ny an'ny MJS ary misy ny an'ny COM Ray aman-dreny iray aza moa dia mbola mampahatsiahy ny fahotana vitan'ity ministera iray ity ka nandefa ireo ankizy tokony hamonjy CJSOI tatsy Maorisy. Asa aloha izay hiafaran'ity fa re any Sainte Marie sy Fort Dauphin ny hiakan'ireo malahelo noho ity karazana sazy vaovao ity .
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT