Sport

Lalaon’ny Nosy andiany fah-9 Nosokirina mafy ny Minisitra vao namboraka ny fototry ny olana


  • Alarobia 12 Aogositra 2015

Niresaka tamin’ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andriamosarisoa Jean Anicet ny Tia Tanindrazana nahafahana nanao jery todika ny Lalaon’ny Nosy. Nitarafana ireo fototry ny olana ahafahana misoroka ny lesoka izay tsy nahalavorary ny fiatrehantsika Malagasy araka ny tokony ho izy iny Lalao iny. Tokony ho nahavita vokatra mendrika lavitra noho iny lah-3 iny mantsy i Madagasikara raha samy nahavita an-tsakany sy an-davany ny andraikiny ny tsirairay.

 


Tia Tanindrazana(T.T) : Ahoana ny fahitanao ny fiatrehantsika iny Lalaon’ny Nosy iny ?
Andriamosarisoa Jean Anicet (Minisitra) :  Amin’ny ankapobeny iny lah-3 i Madagasikara, voalohany La Réunion mpampiantrano, i Maorisy moa afaka nitondra delegasiona be dia be satria afaka nanao “visa” teny am-pahatongavana hany ka nalalaka i Maorisy sy Seisela. Tsy toy izay no zava-nitranga ho antsika fa tsy maintsy mbola nanao “visa”.

T.T : Olana tany ampiaingana izay fa nanahoana kosa ny tany an-toerana ?
Minisitra : Nilamina aloha fa nisy ihany ireo zava-nitranga niaraha-nahafantatra ireny. Nisy fanapahan-kevitry ny CIJ, fomba fiasa vaovao izay somary nahavariana ihany. Ny CIJ izay manana anjara toerana lehibe amin’ny fikarakarana ny Lalao dia nisy fanapahan-kevitra noho ny olana nisy teo amin’i Kaomaoro sy Mayotte, fa tsy azo ampiakarina ireo saina ho an’ny nahazo medaly volamena, tahak’izay koa ny hiram-pirenena. Izany dia ho fiaraha-mientana amin’i Mayotte sy Kaomaoro no fahazoako azy, ka ny hira faneva sy sainan’ny lalao ihany no nampiakarina tamin’ny fotoana fanolorana medaly. Misy fiantraikany ratsy ihany izany satria lasa niteraka fanitsakitsahana ny zom-pirenena sy fiandrianam-pirenen’ny sasany tamin’ny alalan’ny fisintonana ny sainam-pirenen’ny atletantsika nahazo medaly volamena ireny, ny famoriporetana azy teo imasom-bahoaka, izay tsy neken’ny sain’ny rehetra, indrindra fa ny tena izay tsy nanaiky hatramin’ny farany raha tsy nanao fifonana ry zareo tao amin’ny COJI ary nosaziana mihitsy ilay ramatoa iny izay izahay vao afaka nanaiky hanohy ny fifaninanana.

T.T : Sazy inona moa no nampiharina tamin-dramatoa Catherine Paoli ?
Minisitra : Nosintonina tao anatin’ny fikarakarana ny lalao izy, tsy nampiandraiketina ny andraikitra nosahaniny intsony, … ary ny COJI nitondra ny fifonany ampahibemaso, nampiantso mpanao gazety sy nifona nandefa taratasy taty aminay izy, fifonana ofisialy.

T.T : Milamina ve ny nampitana ny fanevan’ny Lalao tamin’i Kaomaoro ?
Minisitra : Hatreto aloha dia natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny fanevan’ny Lalao. Ny dikan’izay dia any Kaomaoro indray no mitodika ny mason’ny rehetra fa izy no handray ny lalao ny taona 2019. Na izany aza dia tsy mbola tena tapaka tanteraka ny fandraisany an’io satria mbola misy antontan-taratasy andrasana aminy amin’ny volana oktobra manamarina sy manamafy fa vonona tanteraka ry zareo. Marihina fa i Maorisy koa dia nametraka ny filatsahany ihany handray io Lalao io.

T.T : Sokajian’ny maro ho ity Lalaon’ny Nosy ity no tsy nilamina indrindra. Taiza ny lesoka satria tena nampikorontan-tsaina ireo atleta ny fifanjevoan’ny fiaingana sy fahatarana ?
Minisitra : Ilay fahatarana eo ihany fa matoa isika tonga soa aman-tsara ihany tany La Réunion, afaka nandray anjara tamin’ny lanonam-panokafana dia izay no zava-dehibe. Mety hitranga foana ny olana fa rehefa tadiavina ny vahaolana dia voavaha io. Izaho tsy dia mino raha hiteny hoe tany amin’ny fikarakarana ny Lalaon’ny Nosy tany aloha dia tsy nisy olana mihitsy, misy foana io olana io fa ny fahavononana hitady ny vahaolana, izay no heveriko ho zava-dehibe, ny fahafahantsika miatrika ny lalao.

T.T : Toa tsy misy mihaiky mihitsy mantsy ilay olana tamin’ny fiaingana. Inona no fototry ny olana tamin’ny fanaovana “visa” ?
Minisitra : Heveriko fa tsy fotoana fanilihan’andraikitra izao, samy mandray ny andraikiny ny rehetra, … marihiko fa tsy ny minisitera irery no tomponandraikitra amin’ny fikarakarana ny Lalaon’ny Nosy fa ao dia ao koa ny Komity Olimpika Malagasy, … ka azonareo anontaniana izy ireo hoe vitanareo tsara ve ny andraikitrareo, ka tsy niteraka fahatarana ? Fa ny minisitera dia niezaka araka izay azo natao, ary miaiky izahay fa nisy tokoa ny fahatarana fa mety ho tsy avy taty aminay irery ihany no nahatonga an’izany.

T.T : Ny “accréditation” taraiky ve izany no tena fototry ny olana ?
Minisitra: Azontsika hamarinina fa tao amin’ny ambasady dia nisy fandavana “visa” noho ny antony tsy fisian’ny “accréditation”.

 

Mitodika any amin’ny KOM izany ny basy satria ny daty farafanaovana ny “accréditation” dia tsy mbola nisy nahavita izany ny delegasiona mikasa ho any La Réunion.

Rasanda Serge


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT