Sport

Lalaon’ny Nosy andiany fah-9 Niandry vasoka fa tsy nahazo “visa” ny andian’ny delegasiona farany


  • Talata 04 Aogositra 2015

Mbola misy delegasiona taraiky ary mety tsy ho lasa intsony hiatrika ny Lalaon’ny Nosy atao any la Reunion (1-9 aogositra).

 



 Miisa maherin’ny 30 no mbola niezaka nikarakara “visa” omaly tetsy amin’ny masoivoho frantsay fa tsy nety voaray intsony. Saika efa lasa tsy eto intsony rahateo ireo tena tomponandraikitra tokony hamaha ny olana. Misy amin’ireo mbola taraiky eto ny atleta, mpanazatra, mpitsara, mpitsabo ary mpanao gazety. Mbola miisa 14 eo ireto farany. Taranja kosa no mbola manana solontena tavela eto dia ny baskety, baolina kitra, atletisma, volley, lomano, handisport, ady totohondry ary bisikileta. Nisy ny fifampiantsoana tamin’ny finday tamin’ireo tomponandraikitra efa any la Reunion toy ny minisitry ny tanora sy fanatanjahantena ary ny talen’ny fanatanjahantena federaly izay samy nampanantena ny hitady vahaolana saingy tsy nahenoana valiny hatramin’ny omaly alina. Efa nisy fikatsahana fanohanana avy tamin’ny fiadidiana ny repoblika fa tsy nitondra vahaolana koa izany. Ny heno farany dia mbola nalefa any amin’ny prefektoran’i la Reunion ireo lisitry ny delegasiona taraiky ireo ary izay no heverina fa hakana “visa” any an-toerana ahafahana miditra any la Reunion. Efa misasaka ihany anefa ny Lalao. Tsy mbola nisy toy ity teo amin’ny tantaran’ny Lalaon’ny Nosy. Ny fitavozavozana tany amin’ny fikarakarana ny taratasy no lasa hanomezana ny masoivoho frantsay sy hilazana fa sarotiny izy ireo.



Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT