Sport

Lalaon’ny Nosy andiany fah-9 Nampanantenaina fa horaisina manokana ireo mahazo medaly


  • Alakamisy 30 Jolay 2015

Noraisin’ny filoham-pirenena teny Iavoloha omaly hariva ireo solontenan’ny atleta sy mpitantanana isan-taranja

 

. Fitsofan-drano no nanamarika ny fotoana tamin’izany fa taorian’ny fitenenan’ny solontenan’ny atleta ny faniriany mba horaisina rehefa mahazo medaly dia nambaran’ny filoha fa horaisina  ireo miverina miaraka amin’ny medaly. Marihina miparitaka be ny fiaingan’ny delegasiona hiatrika ity Lalaon’ny Nosy ity. Efa nanainga ny sabotsy teo ny andiany voalohany nisy lay voy lakana. Anio kosa no hanainga ny andiany fah-2 izay ahitana ny baolina kitra. Efa tokony nanainga ny talata teo moa izy ireo fa ny fanaovana “visa” no nihisatra. Mbola hisy andiany hanainga koa rahampitso zoma ary ny 3 aogositra no hanaingana ny andiany farany. Nangataka manokana tamin’ny filoham-pirenena moa ireo mpanao gazety izay ampiandrasina farany amin’ny fanaovana “visa” ka tsy ho afaka hanatrika ny lanonam-panokafana ka ho hita eon a hisy vokany izany na tsia. Mahatratra 346 moa ny fitambaran’ireo rehetra mandrafitra ny delegasiona manontolo ka 231 ireo atleta. Rakotozafy Rosa talen’ny fanatanjahantena federaly omaly no nisolotena ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena izay nilentika any Fianarantsoa hatramin’ny fotoana nitokanana ilay kianja sentetika tsy mbola vita hatramin’ny farany.

Rasanda Serge


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT