Sport

Lalaon’ny Nosy - Andiany fah-9


  • Talata 11 Aogositra 2015

Navotan’ny atletisma, tenisy ary fibatana fonjamby ny voninahi-pirenena Tafaverina an-tanindrazana omaly avokoa ny delegasiona avy niatrika ny Lalaon’ny Nosy izay natao tany La Réunion ary nifarana ny alahady teo.


Ny tolakandro tokony ho tamin’ny 2 ora mahery no tonga ny andiany voalohany izay nisy olona 300 tany ho any tamina fiaramanidina manokana. Efa ny alina kosa ny andiany faharoa farany nisy olona 40 teo ho eo. Ny takariva be vao niala tany La Réunion izy ireo. Afaka nahavita naka fiaramanidina manokana ihany araka ny fanamby tany aloha nefa nahoana no nampitaintainina tamin’ny fifanjevoana tamin’ny fandehanana izay nampikorontan-tsaina ny fiaingana nihazo an’i La Réunion ? Efa ny andron’ny lanonam-panokafana sy fifaninanana mihitsy aza vao nanainga.

Taranja mendrika

Raha jerena ny vokatra azon’i Madagasikara ka naha lah-3 azy taorian’i La Réunion mpampiantrano sy Maorisy dia ny taranja atletisma hatrany no tena mbola mamokatra indrindra na teo aza ny fihenana be teo amin’ny isan’ireo atleta nalefa niatrik’ady. Medaly volamena 16 moa no azon’izy ireo, izany hoe latsaka efatra oharina amin’ny andiany teo aloha tany Seisela ny taona 2011. Raha tsy namotsotra aza ireo fifaninanana hazakazaka mifampitohy 4x100m lahy sy vavy sy ny an’i Ali Kame ary ny lavitrezaka vitsivitsy dia vao mainka nahavita be kokoa ity taranja ity. Ny fibatana fonjamby koa dia namiratra hatrany raha ny isan’ny volamena azony satria sivy no norombahan’ity taranja ity ary efa maromaro ihany koa ireo votsotra. Fa ny tena mbola mampihaiky aty amin’ny Oseana Indiana dia ny tenisy izay tsy nifaninana tany Seisela tamin’ny 2011. Fahombiazana 100% mantsy ny an’ity taranja ity satria lasantsika Malagasy avokoa ireo fifaninanana dimy voalahatra tany la Réunion.

Telo avy ho azy dimy

Atleta dimy no tena nisongadina ary nahavita nisalotra medaly volamena telo tamin’ny anarany samirery. Roa tamin’ireo an’ny atletisma dia i Elodie Embony (100m, 200m, 4x400m) ary mbola niampy alimo tamin’ny 4x100m aza. Tamin’ny 800m, 400m misy fefy sy 4x400m kosa ny an’i Damien Lorin. Ireo mpibata fonjamby mirahalahy kosa ny atleta roa manaraka namiratra dia i Andriantsitohaina Erick sy Tojo ary ity farany aza dia nahavita nanamontsana ny zava-bitan’ny Lalaon’ny nosy. Ny sangany fah-3 dia Rakotondramanga Antso izay mpilalao mila ravinahitra any Frantsa amin’ny tenisy izay nahazo ny fifaninanana olon-tokana, olon-droa lehilahy ary ny isan-tarika.  

Vita ny fanamby ka…

Tany an-toerana, efa tamin’ny andro fah-2 dia nomena vatsin-dalana 50 euros tsirairay avy ireo atleta ary 75 euros avy ho an’ireo mpitantana isan-tsokajiny. Ireo nahazo medaly volamena koa dia efa nomen’ny minisitra 100 euros avy. Mbola andrasan’ireo atleta nitondra avo ny voninahi-pirenena sy niravaka medaly kosa ny fankasitrahana manokana sy fandraisana manokan’ny filoham-pirenena araka ny voalaza nandritra ny tso-drano talohan’ny fiaingana. Efa nampitaina amin’i Kaomaoro indray moa ny fanevan’ny Lalao izay hatao ny 2019. Nametraka ny antontan-taratasy handray io andiany manaraka io koa anefa i Maorisy ka hanao ahoana ny tohin’ny tantara...?

Rasanda Serge

Elodie Embony (100m, 200m, 4x400m)

Damien Lorin (800m, 400m misy fefy, 4x400m)

Erick sy Tojo mirahalahy mpibata fonjamby

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT