Sport

Lalaon’ny Nosy and-9 Atleta 230 amin’ny taranja 15 no ho any la Reunion


  • Alarobia 10 Jona 2015

Nanao tatitry ny zava-bita nandritra ny enim-bolana voalohany omaly ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Nifandimby nanao ny tatitra mifanandrify amin’ny andraikiny avy ireo tale maro ao amin’ny Minisiteran’ny tanora sy ny


fanatanjahanatena. Nandritra io fihaonana io no nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny lisitry ny delegasiona malagasy hiatrika ny Lalaon’ny Nosy andiany fah-9 hatao any la Reunion ny 1-9 aogositra izao. Miisa 230 ny fitambaran’ny isan’ireo atleta rehetra amin’ireo taranja 15 hifaninanana ka 123 ny lehilahy ary 107 ny vehivavy. Ankoatra ireo dia mbola misy ireo mpanazatra sy mpitsara miisa 43 ary ireo tanora enina hiatrika ny hetsika ara-kolontsaina. Rehefa atambatra dia mahatratra 317 ny fitambaran’ireo mandrafitra manontolo ny delegasiona malagasy. Ny fivoriana niarahan’ny Komity Olimpika Malagasy sy ny Minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena natao ny 2 jona teo no nanapahana io lisitra farany io. Nivoitra omaly tetsy Mahamasina koa ny filazana fa efa niroso tamin’ny fampivondronana fah-2 avokoa tamin’ny fiandohan’ity volana jona ity ireo taranja 15 voakasiky ny Lalaon’ny Nosy. Anio alarobia 10 jona moa no handefasana any amin’ny CIJ io lisitra farany io. Araka ny tatitra nataon’ny talen’ny fanatanjahantena federaly Rakotozafy Rosa dia misy ireo taranja nakana manampahaizaina manokana hanomana izao Lalaon’ny nosy izao toy ny ady totohondry, fibatana fonjamby. Misy koa ireo taranja hanafatra mpila ravinahitra ka efatra izany ho an’ny atletisma, telo ho an’ny baskety, iray ho an’ny lomano, fito ho an’ny tenisy ary tokana ho an’ny tenisy ambony latabatra. Ny hazakazaka am-bisikileta kosa dia handefa mpihazakazaka enina hiatrika ny “Tour de Congo” (15-24 jona). Raha nanontaniana ny minisitra dia tsy mbola nanome ny tetibola hampiasaina amin’ny fanomanana sy fiatrehana ity Lalaon’ny nosy ity.


Rasanda Serge


Isan’ireo atleta isan-taranja : Atletisma (31), badminton (6), baskety (23), ady totohondry (8), bisikileta (5), kitra (35), fonjamby (15), hand (28), judo (14), lomano (8), tenisy ambony latabatra (10), tenisy (8), lay (4), volley (23), handisport (12)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT