Sport

Lalaon'ny Frankofonia Ratsy fanombohana ny Ankoay vehivavy


  • Alatsinainy 31 Jolay 2023

Resin’i Cameroun nandritry ny andro voalohan’ny Lalaon'ny Frankofonia any Kinshasa ny Ankoay vehivavy. Niatrika tamin'ny isa 38 noho 33 anefa ny Malagasy nandritra ny ampaham-potoana roa voalohany.

Asa na reraka fa dia ny Cameroun indray no nandresy noho ny farany tamin'ny isa 70 noho 66. Tena vokatra tsy nampoizina nefa dia mbola Malagasy no voafidy Mpilalao Tsara Indrindra dia i Muriel izany. Nahafaty 16 ity kapitenin'ny Ankoay ity ary nahavita nanakana baolina indroa. Ny somary nandiso fanantenana kely dia i Marion ilay mpilalao avy any Frantsa ary vao niverina nanaraka fiofanana tany Etazonia. Asa aloha fa dia isa roa no mba vitany. Mety avy amin'ny fifandraisana tsy dia zarizary raha tsy hiteny afatsy ny filaharana lavabe rehefa hisakafo. Mila mandresy ny Tonizianina omaly alina ny Ankoay raha te hiady ny ampahaefadalana. Efa tafiditra ao anatin'ny fanomanana ny Lalaon'ny Nosy rahateo ity atao any RDC ity satria dia ny maro amin'ireo mpilalao no voafantina amin'izany. Tombony ny fananana an'i Prisca mpanazatra.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT