Sport

Lalaon'ny Frankofonia Mamiratra ny vehivavy Malagasy


  • Alakamisy 03 Aogositra 2023

Nandrombaka ny medaly volamena teo amin'ny 100m misy fefy i Sidonie Fiadanantsoa nandritry ny Lalaon'ny Frankofonia tanterahina any Kinshasa amn’izao fotoana.

Ohatry ny baskety lalaovin'olon-telo dia tena mba haintsika ity 100 m misy fefy ity. Nahazo medaly volamena tamin'ny lalao iraisan'ny oniversite tany Buffalo no nanokatra ny varavarany i Nicole Ramalalanirina. Mbola izy rahateo no tompon'ny zava-bita tsara indrindra teto Madagasikara saingy io fahaizany io nahatonga ny Frantsay haka azy. Ary die efa Frantsay i Nicole Ramalalanirina no nanao ny famaranana tany amin'ny Lalao Olympika tany Sydney. Tamin'io fotoana io kosa no nipoitra i Rosa Rakotozafy saingy tsy nivoaka ny sokajy nisy azy. Efa tompondakan'i Afrika kosa anefa i Rosa Rakotozafy ary niofana ela tany amin'ny foibe tany Dakar. Ary izay koa no nanokatra ny varavarany satria dia nataon'ny minisitry ny Asa, Maharante Jean de Dieu, sy ny Tale Jeneraly ny Akademia Nasionaly ny Fanatanjahantena Patrice Ranaivoson, ho nitovy lenta amin'ny licence. Raha ny vaovao avy any Kinshasa ihany dia hanao ny manasa-dalana eo amin'ny baskety vehivavy ny Ankoay ary hihaona amin'ny Sénégal. Resin'i Kristina sy ny ekipany izay voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra ny RDC tamin'ny moka fohy, 56 noho 53. Hita hatreo aloha izany fa manao izay mety ary mamiratra ny mpanao fanatanjahantena vehivavy Malagasy, ary tena mahazaka tsara mihitsy ny fifaninanana irasam-pirenena. Vao farany teo teo amin’ny taranja Judo no nandrombaka ny medaly volamena ihany koa i Laura.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT