Lalaon'ny ACNOA

Mandravarava ny Malagasy any Seychelles


  • Zoma 10 Mey 2024

Ataon'ny delegasiona malagasy ampihimamba ny Lalaon'ny ACNOA Faritra fahafito

izay hivondronan'ny Komity Olimpika eto Afrika. Lalao natokana ho an'ireo atleta latsaky ny 18 taona ary dia tsy nisy dinika fa lasan'ny Malagasy ambongadiny raha izao fandehany izao.Teo amin'ny beach volley no tena nibaribary ny naha mafy ny Malagasy.Teo amin'ny manasa-dalana vehivavy dia nandresy ny Seychelles 2 noho 0 (21/16 ; 21/12) i Safidy Tsimialona sy Aro Randriamaro. Hihaona amin'ny Maorisy izany izy ireo amin'ny famaranana.Teo amin'ny lehilahy indray dia nandresy ny Seychelles 2 noho 0 (21/11 ; 21/12) koa i Brad Andrianjafy sy Alaine Guillet ary hifandona amin'ny Comores amin'ny famaranana. Teo amin'ny basikety 3x3 no tena nibaribary toa vay ankandrina ny elanelana. 21/0 no nanaovan'ny ekipa malagasy na lahy na vavy ny Maorisy.21/1 kosa no nandresen'ny vehivavy malagasy ny Comores raha 18/3 kosa ny an'ny lehilahy raha nihaona tamin''ny Comores ihany.Ny vehivavy izany no tena mandravara satria dia vitany tsy nisoratra koa ny Seychelles tompon-tanana.Ny lehilahy indray dia mbola nandresy ny Seychelles 20/7.Tena tsy miady ary mazava ho an'ny Malagasy ny medaly volamena roa amin'ity taranja ity. Mbola namokatra toy izay koa ny lomano satria efa misy medaly volamena enina sahady.Ny farany teo dia 4x100 lahy vavy miaraka fa talohan'izau dia efa voalohany i Tendry sy Ony teo amin'ny 100 m mitsilany. Nanjakan'ny Malagasy koa ny 50 m brasse ka lasan'i Aina sy Finaritra.Mbola volamena koa anefa teo amin'ny 4x100 m i Baritiana, Tendry, Aina ary Nathanaël.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT