Sport

Lalaom-pirahalahiana Madagascar 1 – 2 Burkina Faso


  • Talata 13 Oktobra 2020

Toy ny efa hita tany amin’ny lalao fitsapana nialohan’ny niatrehana ny CAN 2019 izay matetika nizakan’ny ekipam-pirenena Malagasin’ny baolina kitra

 

 

faharesena nanoloana ireo ekipam-pirenena hafa nifampitsapa taminy dia niondrika tamin’isa 2 noho 1 nanoloana ny Etalon’i Burkina faso omaly ny Barean’i Madagasikara. Baolina tafiditr’i Bertrand Traoré teo amin’ny minitra faha 33 no nanokatra ny isa ho an-dry zareo Burkina be. Nanasahala ny isa kosa isika Malagasy taty amin’ny minitra faha 44 tamin’ny alalan’ny penalty notsarain’I Marco Ilaimaharitra nanoloana ilay mpiandry tsatokazo iray klioba aminy ao amin’ny Royal Charleroi, Kofi. Nanampy ny isa ho 2 ho an-drizareo Burkinabe avy eo taty amin’ny minitra faha 66 I Éric Traoré. Amin’ny ankapobeny dia hita ho manomboka miseho ny mety ho endrikendriky ny 11 voalohany hiatrika ny elefantan’i Cote d’Ivoire ny 9 sy 17 novambra izao. Hita ho efa miha mipetraka ihany koa ny fahaiza-miarak’ireo mpilalao tahaka ny fiaraha-miasan’i Hakim Abdallah sy Voavy Paulin nahazoantsika ilay Penalty, ohatra. Hita ho mahay miaraka tsara ihany koa ao amin’ny elatra havia sy afovoan’ny kianja ao ireo Barea vaovao toa an’i Hery Bastien sy Silvio Oassiero. Raha ny tombatombana, araka izany, dia fanomezana sehatra misimisy kokoa ireo mpilalao vaovao no mety ho lojikan’izao ekipam-pirenentsika izao.

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT