Sport

Lalao tsipy kanetibe eto Analamanga Hotohanan’ny Senatera Berthin sy ny Depiote Rastany


  • Sabotsy 04 Aogositra 2018

Hanatanteraka hetsika tsipy kanetibe goavana hanasany an’ireo mpilalao avy eny Atsimondrano sy Avaradrano ary Andrefan’Iarivo sy Antananarivo Renivohitra eo amin’ny Paddock Mahamasina indray anio sabotsy 4 sy rahampitso alahady 5 aogositra ry zareo eo anivon’ny ligin’ny tsipy kanetibe Analamanga tarihan’ny filohany,

 

 Mbola Namana “Andriamirana Mbolatiana”. Hisy ny lalao an’olon-droa miaraka ho an’ny sokajy “Elite”, Vehivavy ary “Vétéran” amin’izany mazava loatra fa hisongadina ihany koa ny lalao an’olo-3 miaraka ho an’ny “Amateur” na ireo mpankafy an’ity taranja ity fotsiny. Ankoatra ireo amboara hatolotra dia hisy fanolorana loka maro toy ny “Scooter”, telefaonina finday, “four éléctrique” sns… ho an’ireo mpandresy amin’izany ary koa fanomezana vary manta manokana ho an’ireo mpifaninana avy amin’ny Senatera Andriamihaingo Berthin izay filoham-boninahitr’ity ligy ity ihany koa ary fanomezana manokana hafa avy amin’ny Depiote Rastany “Randrianarisoa Stanislas” izay filoha lefitry ny ligin’ny tsipy kanetibe Analamanga am-perinasa.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT