Sport

Lalao rugby faha-35 taonan’ny 3FAI Nahemotra amin’ny fotoana manaraka


  • Sabotsy 24 Martsa 2018

Nanambara tamin’ny fampitam-baovao fohy nataony tetsy Tsaralalàna misy ny foiben’ny ekipan’ny 3FAI Ambalavao Isotsy ny alakamisy 22 martsa teo,

Atoa  Rakotomamonjy Hery Jacques iray amin’ireo mpiandraikitra an’ity fileovana rugby eto Antananarivo-Renivohitra ity, fa voatery nahemotra amin’ny daty manaraka dia ny faha-13 sy 20 mey  2018 ary amin’ny 03 jona 2018 ilay hetsika rugby hoenti-mankalaza ny faha-35 taonany izay saika notanterahina anio sabotsy 24 sy rahampitso alahady 25 ary ny 08 aprily 2018 ho avy izao noho ny fisian’ny lalao iraisam-pirenena hifanandrinan’ny Cosfa rugby sy Mayotte etsy Mahamasina amin’io alahady ho avy izao io. Nomarihan’ity tompon’andraikitra iray ao amin’ny 3FAI ity fa tsy hiova ireo ekipa handray anjara amin’ny hetsika dia fileovana avy any amin’ny kartie 4 sy avy amin’ny boaty 4.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT