Sport

Lalao Rugby coupe ombin ny Arema Tontosa teny amin’ny Malacam ny alahady teo


  • Talata 12 Aprily 2022

Tontosa ny alahady 10 aprily teo ny lalao famaranana teo amin’ny taranja baolina lavalava izay nokarakarain’ny Antoko Arema, teny amin’ny Kianja Cheminot Antanimena.

 Lalao miisa 4 no tokony ho natao, saingy tsy tontosa ny iray. Hoan’ireo klioba avy any Atsimondrano dia resin’ny Magnam tamin’ny isa 8 no ho 3 ny Desam. Nivoaka ho mpandresy nanoloana ny RSA 2 tamin’ny isa 13 noho 6 ihany koa ny XV OOAN. Hoan’nireo klioba teto antananarivo Renivohitra kosa, niondrika nanoloana ny XV Complexe tamin’ny isa 20-6 ny XV Piste. Ny lalao tokony ho natrehan’ny Savase Rose sy ny Aigle Noir kosa no tsy tanteraka tamin’ny ora farany ka mbola miandry ny fandaminana ny kianja Ao amin’ny Malacam ny famerenana raha ny nambaran’ny mpikarakara. Marihina fa ireo rehetra nivoaka ho mpandresy tamin’izao lalao izao dia nibata Omby mifaha avokoa. Notoloran’ny antoko Arema baolina ihany koa ireo klioba rehetra izay tsy nahazo ny anjarana tamin’ny fizarana baolina nataon’ny antoko ny volana Mars teo. Nandritra izany ihany koa no nanoloran’ny fikambanan’ny mpanao « rugby coupe » hoan’ny sekretera nationalin’ny antoko Arema ho fankasitrahana ny fanohanany izao fifaninanana izao Mitohy ny asa fanatonana ny vahoaka ataon’ny arema raha ny nambaran’ny sekretera nationaly Ramatoa anick Ratsiraka. Taorian’iny hetsika ara-panatanjahantena iny mantsy dia hotanterahana tsy ho ela indray ny fanolorana ny loka tamin’ny fifaninanana tanana Madio, nandritra ny hetsika fanadiovana teny amin’ny faritra iva,, hoy ny fanamarihana.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT