Sport

Lalao rugby andro fiakarana na Ascension Nafana ny tetsy amin’ny kianja ANS Ampefiloha


  • Zoma 11 Mey 2018

Nafana dia nafana ny lalao rugby nokarakarain’ny Association Firaisankina Mitambatra Atsimondrano tetsy amin’ny kianjan’ny Ans Ampefiloha omaly alakamisy 10 mey andro fiakarana na Ascension tontolo andro.

Nanararaotra an’ity andro tsy fiasana ity ny AFMA nandahatra lalao 6 ho an’ny mpankafy rugby tamin’izany saingy ny 5 tamin’ireo ihany no tontosa hatramin’ny farany fa ny lalao voalohany tokony ho nihaonan’ny XV Relève Ampangabe sy ny Rcna Namontana dia tsy nisy noho ny tsy fahatongavan’ity farany. Any amin’ny kianja Forello Tanjombato indray no hanohizan’ny AFMA an’ireo lalao karakarainy amin’ny alahady 13 mey ho avy izao ka lalao 6 hatrany no nalahatra amin’izany.

Voka-dalao tesy amin’ny ANS omaly alakamisy

Rcna Namontana 00 (Forfait) – 28 XV Relève (D-3)

Zam Andranomanalina 09 – 18 Rcm Andranomanalina (D-3)

Arc Anosizato 19- 06 Rcai Ambohidrapeto (D-2)

Rc Zami Namontana 09 – 06 Varatraza Madera (D-2)

III S Hasina Ambonga  09  -   23 XV Combatifs Marovitsika (D-2)

Cri  Isotry 15 - 14  Fca Analamanga

 

Ntsoavina Evariste


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT