Sport

Lalao rahampitso Ambony ny herijikan’ny Barea


  • Alatsinainy 16 Novambra 2020

Vonona tanteraka amin’ny fiatrehana ny lalao miverina amin’ny hifanandrinana amin’i Côte d’Ivoire rahampitso alahady tolakandro ny Barean’I Madagasikara, izay nigadona teto an-tanindrazana ny tolakandron’ny sabotsy lasa teo, notsenaina tamin’ny fomba makotroka tao Toamasina.

 

Ao amin’ny Hotely Calypso no mipetraka. Nitsapa kianja sy nanao fanazaran-tena in-droa miantoana tao amin’ny Kianjan’i Barikadimy ny Barea omaly maraina, nody nisakafo, ary niverina nanohy ny fanazaran-tena indray ny tolakandro. Ambony ny moralin’ny ekipam-pirenena hiatrika ny mpifanandrina. I Bolida ihany no tsy afaka nihazo an’I Madagasikara, fa ny ankoatra izay azo lazaina ho ao anatin’ny heriny tanteraka hatreto.Tena ataonay tsara ny fanomanana, ary tena nampihetsi-po anay ny fitsenana. Manantena ny vahoaka rehetra hanohana ny ekipam-pirenena, hoy I Carolus omaly. Mafana ny “ambiance” eo amin’ireo mpilalao, ary tafiditra tsara avokoa ny rehetra, toa an-dRamalingom, LoÏC Lapoussin, Mathyas,…

IVORIANINA 4 TSY AFAKA

 Ireto avy ireo mpilalao Ivorianina miainga any avy any mpiandry tsato-by hatrany amin’ny lohalaharana, izay miisa 22 izy ireo: Gbohoua, A. Cissé, I. Tapé, W. Boly, S. Deli, W. Kanon, D. Sinaly, S. Aurier, O. Kossonou, O. Kalpi, A. Akpro, D. Serey, H. Maiga, F. Kessié, I. Sangaré, J. Nguessan, M. Gradel, F. Datro, S. Haller 20, N. Pépé, J. Lago, J. Saeed. Mpilalao 4 no tsy afaka nihazo an’I Madagasikara dia I Gervinho, Bailly, kodjia, ary Cornet. Noho ny ratra tamin’ny ankampobeny no antony. Mety tsy ho afaka hilalao ihany koa i Max Gradel noho ny ratra, na dia tonga eto Madagasikara aza. Mampiakatra ny herijika ho antsika izany. Ny sabotsy hariva dia efa nanao fanazaran-tena teny amin’ny tora-pasik’I Toamasina ny Ivorianina, ary tao amin’ny Kianjan’i Barikadimy omaly.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT